Anarana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-25:
 
==== Filaza isa ====
Mety hiovaova endrika arakaraka ny isan'ny zavatra tondroina aminy ny anarana (tokana, maro, sns) nefa tsy ny teny rehetra no ahitana izany. Izany no atao hoe [[Filaza isa (fitsipiteny)|filaza isa]]. Amin'ny fiteny sasany dia ilaina amin'ny fifehezana ny fampiasana azy ny mahafantatra ny endrika milaza tiokana sy ny endrika milaza maro sns. Ohatra, ao amin'ny fiteny frantsay dia milaza tokana ny anarana hoe ''cheval'' ("soavaly iray") fa milaza maro kosa ny hoe ''chevaux'' ("soavaly maro"). Ao amin'ny fiteny sasany toy ny [[fiteny bretona]], ny [[fiteny litoaniana]], ny [[fiteny slovena]], ny [[fiteny soràba]], ny [[Fiteny sanskrity|fiteny sanskrita]], ny [[Fiteny hebreo|fiteny hebreo]], ny [[Fiteny arabo|fiteny arabo]] dia ahitana koa ny endrika milaza roa. Misy aza ny fiteny ahitana ny endrika milaza telo na milaza efatra.
 
==== Filaza sokajin-javatra ====
Andalana faha-37:
Mety miovaova endrika arakaraka ny [[Anjara asa (fitsipiteny)|anjara asa]] sahaniny ao amin'ny [[fehezanteny]] ny anarana ka mety koa hanovaova araka izany ny endriky ny [[mpamari-toetra]] na ny [[matoanteny]] miaraka aminy (raha mitana anjara asa [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] na [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]] na hafa izy, arakaraka ny fiteny). Ao amin'ny [[fiteny indo-eoropeana]] toy ny [[Fiteny grika|grika]] sy ny [[Fiteny latina|latina]] ohatra dia miova endrika ny fiafaran'ny anarana arakaraka ny sokajin'anjara asa sahaninny ao amin'ny tarika na ny feheanteny.
 
Ny [[Fiteny indô-eoropeanina|fiteny indo-eoropeana]] toy ny [[fiteny sanskrita]], ny [[fiteny slava]] ([[fiteny rosiana]] sns), ny [[fiteny latina]], ny [[fiteny grika]], ny [[fiteny islandey]], ny [[fiteny feroiana]] ary ny [[Fiteny alemana|fiteny alemàna]]. Ny anarana amin'ny [[Fiteny romainina|fiteny romana]] toy ny fiteny fratsay sy ny [[fiteny espaniola]] sns dia tsy ahitana an'izany koa. Ny [[fiteny semitika]] toy ny [[fiteny akadiana]] sy ny [[fiteny arabo]] dia ahitana izany koa. Ny anarana amin'ny [[fiteny hebreo]] dia tsy ahitana izany na dia isan'ny [[Fiteny semitika|fiteny semitika]] aza. Ny anarana ao amin'ny fiteny maro dia tsy ahitana izany endrika araka anjara asa izany izay tsy hita afa-tsy ao amin'ireo mpisolo tena (amin'ny fiteny malagasy: ''izaho'' raha lazaina, ''ahy'' raha fameno, sns; amin'ny fiteny frantsay: ''il/elle'' raha lazaina: ''le/la'' raha fameno mivantana; ''lui'' raha fameno tsy mivantana; ''se'' raha fameno mitampody sns).
 
==== Fiovan'endrika noho ny antony hafa ====