Mpisolo tena (fitsipiteny): Fahasamihafan'ny versiona

Nanitatra kely
Aucun résumé des modifications
(Nanitatra kely)
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Ny [[Mpisolo tena (fitsipiteny)|'''mpisolo''' '''tena''']] dia [[teny]] enti-manondro ireo sokaji-mpandray anjara telo ara-pitsipiteny ao amin'ny fifampiresahana, dia ny miresaka sy ny iresahana ary ny resahina. Ny fiteny rehetra dia ahitana ny [[sokajin-teny]] mpisolo tena avokoa fa ny isany sy ny endriny ary ny fampiasana azy no tsy mitovy. Zana-tsokajy ao amin'ny [[Mpisolo (fitsipiteny)|mpisolo]] ny mpisolo tena.
 
Ao amin'ny fiteny malagasy, ny mpisolo tena ampiasain'ilay miresaka mba hanondrony ny tenany na mahafaoka azy dia ny hoe ''izaho'' na ''isika'' na ''izahay''; ny mpisolo tena anondroan'ilay miresaka ny olona na zavatra iresahany dia ny hoe ''ianao'' na ''ianareo''; ny mpisolo tena ampiasain'ilay miresaka hanondroany ny olona na zavatra ivelan'io firesahana io nefa resahina dia ny hoe ''izy''. Miova endrika ireo teny ireo arakaraka ny [[Anjara asa (fitsipiteny)|anjara asa]] sahaniny ao amin'ny fehezanteny. Miova endrika arakaraka ny isan'ny olona na zavatra tondroina aminy koa izy ireo. Mety miova koa ny endriny arakaraka ny toetra ara-pitsipiteny ananan'ilay teny soloany ([[kandahy]] na [[kambavy]] sns).
 
== Jereo koa: ==
2 689

modifications