Fanehoan-javatra (fitsipiteny): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Fanehoan-javatra (fitsipiteny)|fanehoan-javatra]] dia toetra ara-pitsipiteny ananan'ny teny amin'ny [[sokajin-teny]] sasany izay ahafahan'ny mpiteny maneho ny fomba fijeriny manoloana ny fivoaran'ny ny asa na ny toetra resahina (fanombohany, fizotrany, fahavitany sns) ao amin'ny [[matoanteny]] na ny teny rehetra mety hatao [[entimilaza]]. Ny mariky ny [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] amin'ny fiteny sasany dia mariky ny fanehoan-javatra ihany koa ka mahatonga ireo fiteny ireo hoatry ny manana filazam-potoana maro dia maro. Ny fiteny sasany tsy manana filazam-potoana fa fanehoan-javatra fotsiny, isan'izany ny [[fiteny semitika]] toy ny [[fiteny hebreo]] izay mampifanohitra ny "fanehoan-javatra efa" amin'ny "fanehoan-javatra tsy efa".
 
== Ireo karazana fanehoan-javatra fahita matetika ==
Ireto ny karazana fanehoan-javatra fahita matetika amin'ny fiteny maro:
 
*[[Fanehoan-javatra efa]] (sy ny mifanohitra aminy);
*[[Fanehoan-javatra mitohy]] (sy ny mifanohitra aminy);
*[[Fanehoan-javatra mifintina]] (sy ny mifanohitra aminy: mivelatra);
*[[Fanehoan-javatra mifetra]] (sy ny mifanohitra aminy).
 
=== Fanehoan-javatra efa sy tsy efa ===
 
==== Fanehoan-javatra efa ====
 
==== Fanehoan-javatra tsy efa ====
 
=== Fanehoan-javatra mitohy sy tsy mitohy ===
 
==== Fanehoan-javatra mitohy ====
 
==== Fanehoan-javatra tsy mitohy ====
 
=== Fanehoan-javatra mifintina sy mivelatra ===
 
==== Fanehoan-javatra mifintina ====
 
==== Fanehoan-javatra mivelatra ====
 
=== Fanehoan-javatra mifetra sy tsy mifetra ===
 
==== Fanehoan-javatra mifetra ====
 
==== Fanehoan-javatra tsy mifetra ====
 
== Sokajin'ny endrika fanehoan-javatra ==
Ligne 15 ⟶ 40 :
==== Ny fanehoan-javatra tsirinteny ====
Ireo fanehoan-javatra voatanisa eo aloha dia mety hasehon'ny tsirinteny amin'ny [[matoanteny]] (na amin'izay sokajin-teny afaka mitondra ny mariky ny fanehoan-javatra). Mety ho [[Tovona (fitsipiteny)|tovona]] na [[Tovana (fitsipiteny)|tovana]] izany tsirinteny izany ary mety ho mora na sarotra sarahana amin'ny fototeny izany tsirinteny izany.
 
'''Ao amin'ny fiteny malagasy'''
 
Amin'ny [[fiteny malagasy]] dia ampiasaina ho mari-panehoan-javatra ny tsirinteny ''voa''- sy ''tafa''- izay mari-panehoan-javatra efa. Ohatra - ny fahasamihafana misy eo amin'ny matoanteny ao anatin'ny fehezanteny roa manaraka ireto dia vokatry ny fahasamihafan'ny fanehoan-javatra. marihina koa fa ireo tovona na tovana natao hanehoana fiendrika na fitodika mitovy na mitovitovy dia mety samy hanana ny fanehoan-javatra ambarany.
Ligne 23 ⟶ 50 :
 
* ''Tanjona lehibe no <u>tratra</u>ko''. (= Efa tratra ny tanjona)
 
'''Ao amin'ny fiteny frantsay'''
 
Amin'ny [[fiteny frantsay]] dia sarotra avahana ny tsirintenin'ny fanehoan-javatra satria miasa ihany koa ho [[mari-potoana]] sy [[Filaza (fitsipiteny)|mari-pilaza]]. Izany no mahatonga io fiteny io ho toy ny manana [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] maro dia maro, ka ohatra amin'iza ny filazam-potoana lasa tsy efa (frantsay: ''imparfait'') mifanohitra amin'ny filazam-potoana lasa tsotra (frantsay: ''passé simple'') izay mari-panehoan-javatra mivelatra sy mari-panehoan-javatra mifintina.
Ligne 28 ⟶ 57 :
Ohatra:
 
* ''Il <u>travailla</u> la terre de 7 à 12 heures''. ("Niasa tany izy hatramin'ny 7 ka hatramin'ny 12 ora")
 
* ''Il <u>travaillait</u> encore à 9 heures'' ("Mbola niasa izy tamin'ny 9 ora").
 
==== Ny fanehoan-javatra zanateny ====
Ny fiteny sasany dia mampiasa [[zanateny]] ho mariky ny fanehoan-javatra manampy (na tsia) ny mari-panehoan-javatra amin'ny alalan'ny tsirinteny. Ohatra amin'izany ny fampiasana [[Mpanampy (fitsipiteny)|mpanampy]] fanehoan-javatra.

'''Ao amin'ny fiteny frantsay'''

Maro ireo matoanteny ao amin'ny [[fiteny frantsay]] dia mampiasa ny [[matoanteny mpanampy]] ''avoir'' arakarahin'ny [[ova-matoanteny]] lasa ho mariky ny fanehoan-javatra efa. Ny [[matoanteny mitampody]] dia mila ny mpanampy ''être'' ho mariky ny fanehoan-javatra efa. Indraindray dia sarotra ny hanavahana ny anjara asa fanehoan-javatra sy ny anjara asa mari-potoana. Azo atao koa ny mampiasa ny [[tambinteny]] na [[kianteny]] sasany ho mariky ny fanehoan-javatra.
 
Ohatra:
Ligne 41 ⟶ 74 :
* ''Ce jour-là, elle chanta et dansa'' ("Tamin'izany andro izany dia nihira izy avy eo nandihy": aloha sy afara)
* ''Ce jour-là, elle chantait et dansait'' ("Tamin'izany andro izany dia nihira no sady nandihy izy": miseho miaraka).
 
'''Ao amin'ny fiteny anglisy'''
 
Ao amin'ny [[fiteny anglisy]] dia ampiasaina ny mpanampy ''have'' arahin'ny ova-matoanteny lasa ho mariky ny fanehoan-javatra efa. Ampiasaina koa ny mpanampy ''be'' arahin'ny ova-matoanteny ankehitriny ho mariky ny fanehoan-javatra mitohy na mivoatra.
Ligne 46 ⟶ 81 :
* ''I <u>drank</u> water after having eaten rice'' ("Nisotro rano aho rehefa avy nihinam-bary")
* ''I <u>was drinking</u> water when he called me'' ("Nisotro rano aho tamin'ny niantsoany ahy": eo am-pisotroan-drano).
 
Azo atao koa ny mampiasa ny [[tambinteny]] na [[kianteny]] sasany ho mariky ny fanehoan-javatra.
 
=== Fanehoan-javatra reniteny ===
Ny mari-panehoan-javatra reniteny dia matetika matoanteny na tarika matoanteny na sokajin-teny hafa ampiasaina hananterana ny fanombohana na ny famaranana, ny fidirana na ny fivoahana, ny fahataperana na ny fitohizana eo amin'ny asa na ny toetra lazain'ny matoanteny na teny hafa azo atao entimilaza afaka mandray mari-panehoan-javatra. Indraindray dia sarotra ny hanavahana ny anjara asa fanehoan-javatra sy ny anjara asa mari-potoana ao amin'ny alalan'ireo reniteny ireo.
 
==== Ao amin'ny fiteny frantsay ====
Ohatra, aoAo amin'ny teny frantsay dia ahitana ny hoe ''commencer à'' ("manomboka") sy ''finir de'' ("mamarana") ary ny hoe ''être en train de'' ("eo am-panaovana"), raha tsy hitanisa afa-tsy ireo, ka arakarahin'ny [[filaza tsy mitanisa]] mba hanehoana ny fanombohana na ny famarana na ny fitohizan'ny asa na ny toetra lazaina ao amin'ny matoanteny.
 
Ohatra:
Ligne 56 ⟶ 94 :
* ''Il commence à travailler'' ("Manomboka miasa izy")
* ''Il est en train de travailer'' ("Eo an-dalam-piasana izy", "Miasa izy")
 
==== Ao amin'ny fiteny anglisy ====
Amin'ny fiteny anglisy dia ampiasaina ny matoanteny ''begin'' ("manomboka") hilazana ny fanombohan'ny asa na ny toetra ambaran'ny matoanteny.
 
=== Fanehoan-javatra ara-keviteny ===
Ligne 62 ⟶ 103 :
Ny entimilaza mifetra (matoanteny mifetra sns) dia entimilaza ilazana asa na toetra tsy maintsy mifarana fa ny entimilaza tsy mifetra kosa dia entimilaza izay ilazana asa na toetra tsy mitsahatra ho azy raha tsy misy hery ivelany (ny mpanao na zavatra hafa) mampitsahatra azy sady azo ampaharetina araka izay ao atao. Tsy ireo roa ireo ihany anefa ny fanehoan-javatra ara-keviteny fa misy maro hafa koa. matetika dia ny fanahoan-javatra mifintina na efa no mikambana amin'ny fanehoan-javatra mifetra fa ny mivelatra na tsy efa kosa no miaraka amin'ny tsy mifetra.
 
==== OhatraAo amin'ny fiteny malagasy ====
Ny matoateny hoe ''teraka,'' ''mihoatra,'' ''mitelina'' (afa-tsy hoe averimberina) dia mifetra fa ny matoanteny hoe ''matory'', ''mivelona,'' ''mahalala,'' dia tsy mifetra.
 
==== Ohatra aoAo amin'ny fiteny frantsay ====
Izany no mahatonga ny matoanteny mifetra frantsay ho mety kokoa raha atao amin'ny filazam-potoana ankehitriny (frantsay: ''présent'') na lasa tsy efa (frantsay: ''imparfait'') ao amin'ny filaza tsotra (frantsay: ''indicatif'') fa ny matoanteny mifetra kosa ho amin'ny filazam-potoana lasa tambatra (frantsay: ''passé composé'') na amin'ny lasa tsotra (frantsay: ''passé simple''). Ohatra, ny matoanteny frantsay hoe ''predre'' ("mandray") dia mifetra fa ny hoe ''tenir'' ("mihazona") kosa dia tsy mifetra.
 
Ligne 74 ⟶ 115 :
* ''Il tenait ma main''.
 
==== Ohatra aoAo amin'ny fiteny rosiana ====
Ny matoanteny amin'ny fiteny sasany toy ny [[Fiteny rosiana|fiteny rosiana]] dia misokajy roa araka ny fanehoan-javatra ara-keviteny fonosiny na dia mbola tsy mivoaka ny sehatry ny voambolana aza.
 
Ligne 88 ⟶ 129 :
Ampiasaina ireo matoantany voalohany hilazana asa na toetra afaka mitohy lava na miverimberina na mahazatra fa ny matoanteny faharoa kosa ampiasaina hilazana asa na toetra tsy voafetra na miseho indray mandeha.
 
==== Ohatra aoAo amin'ny fiteny espaniola ====
Ny fiteny espaniola dia manana matoanteny mpanampy izay mitovitovy dika raha tsy heverina ny fahasamihafan'ny fanehoan-javatra ampitainy, dia ny matoanteny ''ser'' sy ''estar'' izay samy adika amin'ny teny frantsay hoe "être".