Matoanteny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-6:
 
==== Ny filaza ====
Ny [[Filaza (fitsipiteny)|filaza]] dia toetra ara-pitsipiteny izay maneho ny fomba fihevitry ny mpiteny momba ny votoatin'ny zavatra lazainy (asa na toetra) ka mety ho filazana fisiana marina na ahiahy na fahafahana mitranga izany. Ny [[fiteny malagasy]] dia ahitana ny filaza tsotra sy ny [[filaza mandidy]]. Ireto koa ny filaza sasany mety ho hita amin'ny fiteny hafa: ny [[filaza ifampiankinana]] sy ny [[filaza mihonohono]] (na mifampiankina) ary ny [[filaza mirary]]. Amin'ny voambolan'ny fitsipiteny eoropeana dia isaina ho filaza koa ny endri-matoanteny toy ny [[Endri-matoanteny tsy mitanisa|endrika tsy mitanisa]] sy ny [[ova-matoanteny]] ary ny [[endri-matoanteny toe-javatra]].
 
==== Ny fanehoan-javatra ====
Ny [[Fanehoan-javatra (fitsipiteny)|fanehoan-javatra]] dia toetra ara-pitsipiteny izay ahafahan'ny mpiteny maneho ny fomba fijeriny manoloana ny fivoaran'ny ny asa na ny toetra resahina (fanombohany, fizotrany, fahavitany sns) ao amin'ny matoanteny na ny teny rehetra mety hatao [[entimilaza]]. Ny mariky ny [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] amin'ny fiteny sasany dia mariky ny fanehoan-javatra ihany koa ka mahatonga ireo fiteny ireo hoatry ny manana filazam-potoana maro dia maro.
 
Ireto ny karazana fanehoan-javatra fahita matetika amin'ny fiteny maro: ny [[fanehoan-javatra efa]], ny [[fanehoan-jevatra mitohy]], ny [[fanehoan-javatra mifintina]] ary ny [[fanehoan-javatra mifetra]].
 
==== Ny filazam-potoana ====
Ny [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] dia toetra ara-pitsipiteny izay manampy amin'ny fahafantarana ny fotoana nisehoan'ny asa na ny toetra amin'ny alalan'ny fiovan'endrika, ka izany fotoana izany dia mety ho ny iray amin'ireto telo ireto: ankehitriny sy lasa ary hoavy. Tsy ny fiteny rehetra no manana fomba ara-pitsipiteny hilazany fotoana, ary amin'izay manana izany dia ao ireo tsy mizara afa-tsy fotoana roa (lasa ''vs'' tsy lasa, hoavy ''vs'' tsy hoavy), ary ao ireo mizara izany mihoatra ny telo.
 
==== Ny fiendrika ====
Ny [[fiendrika]] na fitodika dia toetra ara-pitsipiteny izay hita taratra amin'ny fiovan'endrik'ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin'ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Ny fiendrika na fitodika fantatra indrindra ao amin'ny [[fiteny]] maro dia ny [[fiendrika mañano]] sy ny [[fiendrika anoina]]. Arakaraka ny [[mpahay teny]] no anavahana na tsia ny atao hoe ''fitodika'' sy ''fiendrika''.
 
=== Edrika misy ifandraisana amin'ny mpadray anjara ===