Filaza tsotra (fitsipiteny): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fiteny
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''[[Filaza tsotra (fitsipiteny)|filaza tsotra]]''' dia endriky ny teny atao vara na entimilaza (ny [[matoanteny]] amin'ny fiteny maro) izay entin'ny mpiteny na ny mpanoratra hanehoany fa mifanentana amin'ny zava-misy marina ny votoantin' ny zavatra lazainy. Toetra ara-keviteny ankapobeny ihany anefa izany satria raha tsy manana filaza maro ilay fiteny dia tsy maintsy hampiasa ny filaza tsotra ny mpiteny na ny mpanoratra mba hanehoany ny votoatin'izay lazainy izay fantatra fa tsy araka ny fa tsy araka ny zava-misy. Toy izany no miseho eo amin'ny fiteny malagasy, izay tsy manana ankoatry ny filaza tsotra, afa-tsy ny filaza mandidy. Na ny fiteny fratsay izay ao lazaina fa manana filaza maro aza dia mampiasa ny filaza tsotra hanambaràna ny zavatra mampisalasala (jereo ohatra ny fampiasana ny [[Mari-potoana lasa mivelatra|filazam-potoana lasa mivelatra]] (frantsay: ''imparfait'') na ny [[Mari-potoan'ny lasan'ny lasa|lasan'ny lasa]] (frantsay: ''plus-que-parfait'') hanambaràny ny zavatra nofinofy ao amin'ny fehezankevitra misy fepetra.
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Filaza mandidy]]
* [[Filaza ifampiankinana]]
* [[Filaza mihonohono]]
* [[Filaza mirary]]