Matoanteny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[matoanteny]] dia teny ([[sokajin-teny]]) izay ampiasaina ao amin'ny [[fehezanteny]] na [[fehezankevitra]] mba hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika maneho [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|fotoana]], [[Fiendrika|fiendrika,]] [[Filaza (fitsipiteny)|filaza]], [[Fanehoan-javatra (fitsipiteny)|fanehoan-javatra]] sns. Ny isan'ireo antom-piovan'endriky ny matoanteny ireo dia miovaova araka ny [[fiteny]]. Mety hifandray amin'ny endriky ny teny mifandray aminy mivantana izany fiovan'endriky ny matoanteny izany ka isan'izany ny maha [[Endrika mikaza tokana|tokana]] na [[Endrika milaza maro|maro]] na ny ny maha [[kandahy]] na [[kambavy]] ny mpandray anjara ([[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]], [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]], sns), sns. Ireto misy matoanteny amin'ny fiteny malagasy: ''mihinana, mandehana, nifampijerena'', sns.
 
== Ny endrika ara-pitsipitenin'ny matoanteny ==
 
=== Endrika mifandray amin'ny asa na ny toetra tondroiny ===
 
==== Ny filaza ====
Ny filaza dia toetra ara-pitsipiteny izay maneho ny fomba fihevitry ny mpiteny momba ny votoatin'ny zavatra lazainy (asa na toetra) ka mety ho filazana fisiana marina na ahiahy na fahafahana mitranga izany. Ny [[fiteny malagasy]] dia ahitana ny filaza tsotra sy ny [[filaza mandidy]]. Ireto koa ny filaza sasany mety ho hita amin'ny fiteny hafa: ny [[filaza ifampiankinana]] sy ny [[filaza mihonohono]] (na mifampiankina) ary ny [[filaza mirary]]. Amin'ny voambolan'ny fitsipiteny eoropeana dia isaina ho filaza koa ny endri-matoanteny toy ny [[Endri-matoanteny tsy mitanisa|endrika tsy mitanisa]] sy ny [[ova-matoanteny]] ary ny [[endri-matoanteny toe-javatra]].
 
==== Ny fanehoan-javatra ====
Ny fanehoan-javatra dia toetra ara-pitsipiteny izay ahafahan'ny mpiteny maneho ny fomba fijeriny manoloana ny fivoaran'ny ny asa na ny toetra resahina (fanombohany, fizotrany, fahavitany sns) ao amin'ny matoanteny na ny teny rehetra mety hatao [[entimilaza]]. Ny mariky ny [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] amin'ny fiteny sasany dia mariky ny fanehoan-javatra ihany koa ka mahatonga ireo fiteny ireo hoatry ny manana filazam-potoana maro dia maro.
 
Ireto ny karazana fanehoan-javatra fahita matetika amin'ny fiteny maro: ny [[fanehoan-javatra efa]], ny [[fanehoan-jevatra mitohy]], ny [[fanehoan-javatra mifintina]] ary ny [[fanehoan-javatra mifetra]].
 
==== Ny filazam-potoana ====
Ny filazam-potoana dia toetra ara-pitsipiteny izay manampy amin'ny fahafantarana ny fotoana nisehoan'ny asa na ny toetra amin'ny alalan'ny fiovan'endrika, ka izany fotoana izany dia mety ho ny iray amin'ireto telo ireto: ankehitriny sy lasa ary hoavy. Tsy ny fiteny rehetra no manana fomba ara-pitsipiteny hilazany fotoana, ary amin'izay manana izany dia ao ireo tsy mizara afa-tsy fotoana roa (lasa ''vs'' tsy lasa, hoavy ''vs'' tsy hoavy), ary ao ireo mizara izany mihoatra ny telo.
 
==== Ny fiendrika ====
Ny fiendrika na fitodika dia toetra ara-pitsipiteny izay hita taratra amin'ny fiovan'endrik'ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin'ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Ny fiendrika na fitodika fantatra indrindra ao amin'ny [[fiteny]] maro dia ny [[fiendrika mañano]] sy ny [[fiendrika anoina]]. Arakaraka ny [[mpahay teny]] no anavahana na tsia ny atao hoe ''fitodika'' sy ''fiendrika''.
 
=== Edrika misy ifandraisana amin'ny mpadray anjara ===
Ny mpandray anjara dia mety hitana ny anjara asa [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] na iray amin'ny anjara asa [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]].
 
==== Fifandraisana amin'ny laharan'ny mpandray anjara ====
Ny endriky ny matoanteny amin'ny fiteny sasany dia miovaova arakaraka ny laharan'ny mpandray anjara ka matetika dia ny mpandray anjara misahana ny anjara asa lazaina izany nefa koa mety ho ny iray na maro amin'ireo mpandray anjara mitana ny anjara asa fameno: laharana voalohany na faharoa na fahatelo.
 
==== Fifandraisana amin'ny isan'ny mpandray anjara ====
Ny endriky ny matoanteny amin'ny fiteny sasany koa dia miovaova arakaraka ny [[filaza isa]]<nowiki/>n'ny mpandray anjara ka matetika dia ny mpandray anjara misahana ny anjara asa lazaina izany nefa koa mety ho ny iray na maro amin'ireo mpandray anjara mitana ny anjara asa fameno: endrika milaza tokana na endrika milaza maro sns.
 
==== Fifadraisana amin'ny kilahivavin'ny mpandray anjara ====
Ny endriky ny matoanteny amin'ny fiteny sasany dia miovaova arakaraka ny [[Kilahivavy|kilahivavi]]<nowiki/>n'ny ny mpandray anjara ka matetika dia ny mpandray anjara misahana ny anjara asa lazaina izany nefa koa mety ho ny iray na maro amin'ireo mpandray anjara mitana ny anjara asa fameno: kandahy na kambavy sns.
 
== Jereo koa: ==