Sampam-piteny jermanika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fiteny
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 6 Febroary 2019 à 11:04

Ny fiteny jermanika dia sampan'ny fianakaviam-pitenin'ny fiteny indo-eoropeana izay teraky ny proto-jermanika. Ny vahoaka jermanika, izay nonina tao amin'ny ampahany avaratra-atsinanan'ny Empira romana, no miteny azy hatramin'izay nisiany. maro ny zavatra iombonan'ireo fiteny jermanika ireo ka isan'izany ny fiovam-panonona nahazo ireo renifeo araka ny fikarohan'i Grim sy Verner azy; ao koa ny voambolana izay ahitana fototeny tsy indo-eoropeana.

Ny fiteny jermanika be mpiteny indrindra dia ireo ao amin'ny sampana andrefana dia ny fiteny anglisy sy ny fiteny alemàna sy ny fiteny neerlandey ary ireo fiteny skandinaviana toy ny fiteny soedoà sy danoà ary norveziana.