Fanehoan-javatra (fitsipiteny): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Fanehoan-javatra (fitsipiteny)|fanehoan-javatra]] dia toetra ara-pitsipiteny ananan'ny teny amin'ny [[sokajin-teny]] sasany izay ahafahan'ny mpiteny maneho ny fomba fijeriny manoloana ny fivoaran'ny ny asa na ny toetra resahina (fanombohany, fizotrany, fahavitany sns) ao amin'ny [[matoanteny]] na ny teny rehetra mety hatao [[entimilaza]]. Ny mariky ny [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] amin'ny fiteny sasany dia mariky ny fanehoan-javatra ihany koa ka mahatonga ireo fiteny ireo hoatry ny manana filazam-potoana maro dia maro. Ny fiteny sasany tsy manana filazam-potoana fa fanehoan-javatra fotsiny, isan'izany ny [[fiteny semitika]] toy ny [[fiteny hebreo]] izay mampifanohitra ny "fanehoan-javatra efa" amin'ny "fanehoan-javatra tsy efa".
 
Ireto ny karazana fanehoan-javatra fahita matetika amin'ny fiteny maro:
 
* Fanehoan-javatra efa (sy ny mifanohitra aminy);
* Fanehoan-jevatra mitohy (sy ny mifanohitra aminy);
* Fanehoan-javatra mifintina (sy ny mifanohitra aminy: mivelatra)
 
== Sokajin'ny endrika fanehoan-javatra ==
misokajy roa lehibe ny fanehoan-javatra raha ny endrika ampitany izany no heverina, ka ao ny fanehoan-javatra amin'ny alalan'ny [[zanateny]] sy [[tsirinteny]] sy ny fanehoan-javatra amin'ny alalan'ny [[reniteny]]. Ao koa ny fanehoan-javatra izay tsy hita araka ny endriky ny teny fa araka ny hevitr'io teny io ka atao hoe fanehoan-javatra ara-kevi-teny.
 
=== Ny fanehoan-javatra zanateny sy tsirinteny ===
 
==== Ny fanehoan-javatra tsirinteny ====
Ireo fanehoan-javatra voatanisa eo aloha dia mety hasehon'ny tsirinteny amin'ny [[matoanteny]] (na amin'izay sokajin-teny afaka mitondra ny mariky ny fanehoan-javatra). Mety ho [[Tovona (fitsipiteny)|tovona]] na [[Tovana (fitsipiteny)|tovana]] izany tsirinteny izany ary mety ho mora na sarotra sarahana amin'ny fototeny izany tsirinteny izany.
 
Amin'ny [[fiteny malagasy]] dia ampiasaina ho mari-panehoan-javatra ny tsirinteny ''voa''- sy ''tafa''- izay mari-panehoan-javatra efa.
 
Amin'ny [[fiteny frantsay]] dia sarotra avahana ny tsirintenin'ny fanehoan-javatra satria miasa ihany koa ho [[mari-potoana]] sy [[Filaza (fitsipiteny)|mari-pilaza]]. Izany no mahatonga io fiteny io ho toy ny manana [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] maro dia maro, ka ohatra amin'iza ny filazam-potoana lasa tsy efa (frantsay: ''imparfait'') mifanohitra amin'ny filazam-potoana lasa tsotra (frantsay: ''passé simple'') izay mari-panehoan-javatra mivelatra sy mari-panehoan-javatra mifintina.
 
==== Ny fanehoan-javatra zanateny ====
Ny fiteny sasany dia mampiasa [[zanateny]] ho mariky ny fanehoan-javatra manampy (na tsia) ny mari-panehoan-javatra amin'ny alalan'ny tsirinteny. Ohatra amin'izany ny fampiasana [[Mpanampy (fitsipiteny)|mpanampy]] fanehoan-javatra. Maro ireo matoanteny ao amin'ny fiteny frantsay dia mampiasa ny [[matoanteny mpanampy]] ''avoir'' ho mariky ny fanehoan-javatra efa. Ny [[matoanteny mitampody]] dia mila ny mpanampy ''être'' ho mariky ny fanehoan-javatra efa. Azo atao koa ny mampiasa ny [[tambinteny]] na [[kianteny]] sasany ho mariky ny fanehoan-javatra.
 
=== Fanehoan-javatra reniteny ===
Ny mari-panehoan-javatra reniteny dia matetika matoanteny na tarika matoanteny na sokajin-teny hafa ampiasaina hananterana ny fanombohana na ny famaranana, ny fidirana na ny fivoahana, ny fahataperana na ny fitohizana eo amin'ny asa na ny toetra lazain'ny matoanteny na teny hafa azo atao entimilaza afaka mandray mari-panehoan-javatra. Indraindray dia sarotra ny hanavahana ny anjara asa fanehoan-javatra sy ny anjara asa mari-potoana ao amin'ireo reniteny ireo.
 
Ohatra, ao amin'ny teny frantsay dia ahitana ny hoe ''commencer à'' ("manomboka") sy ''finir de'' ("mamarana") ary ny hoe ''être en train de'' ("eo am-panaovana"), raha tsy hitanisa afa-tsy ireo, ka arakarahin'ny [[filaza tsy mitanisa]] mba hanehoana ny fanombohana na ny famarana na ny fitohizan'ny asa na ny toetra lazaina ao amin'ny matoanteny.
 
=== Fanehoan-javatra ara-keviteny ===
<br />
== Jereo koa: ==