Filaza (fitsipiteny): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-13:
 
=== Filaza mandidy ===
Maro ny fiteny ahitana ny [[filaza mandidy]] ka isan'iany ny fiteny malagasy. Ho an'ireo fiteny tsy manana afa-tsy filaza vitsy dia mety mahasolo ny filaza tsy ananany ny filaza mandidy ka amin'ny alalan'ny fampiasana rafitra manokan'ny fehezanteny na fampiasana teny natokana hanambaràna ny hevitr'ilay filaza tsy ananany no anatanterahana izany. Ao amin'ny [[fiteny malagasy]] dia tsy ny matoanteny ihany no afaka atao amin'ny filaza mandidy fa ny mpamari-toetra koa. Fanampin'izany ihany koa dia tsy mampiasa ny filaza mandidy ny fiteny malagasy raha misy fandavana ny ao amin'ilay feheanteny fa mampiasa ny filaza tsotra miampy ny fampiasana ny mpanampy ''aza''.
 
Ohatra:
Andalana faha-24:
 
=== Filaza mihonohono ===
Tsy ny fiteny rehetra no ahitana ny filaza mihonohono (na mifampiankina). Na ny [[fiteny latina]] na ny fiteny grika dia tsy ahitana azy io. Ny fiteny eoropeana taty aoriana no ahitana azy, indrindra ny [[fiteny romana]] na italika izay nateraky ny [[fiteny latina]]. Ny [[fiteny jermanika]] toy ny fiteny anglisy sy ny fiteny alemàna dia ahitana azy koa.
 
Ohatra:
Andalana faha-39:
 
=== Filaza ifampiankinana ===
Ny filaza ifampiankinana dia filaza hita amin'ny fiteny sasany toy ny fiteny latina sy ireo fiteny nipoitra avy aminy ary fiteny hafa koa. Ahitana azy koa ny [[Fiteny alemana|fiteny alemàna]] sy ny [[fiteny rosiana]]. Matetika dia mifampisolo amin'ny filaza mihonohony izy, indrindra ao amin'ireo fiteny romana toy ny [[fiteny frantsay]] sns. Ny filaza ifampiankinana dia matetika hita ao amin'ny [[fehezankevitra]] miakina ka izany dia miankina koa amin'ny teny sasany (matoanteny na teny hafa toy ny [[mpampiankina fehezankevitra]] sasany) izay hita ao amin'ny fehezankevitra iakinana. Ny [[fiteny anglisy]] dia tsy dia ahitana firy ny fampiasana io filaza io sady tsy manana endrika miavaka tsara amin'ny filaza tsotra, na raha ny tena marna ny [[Endrika tsy mitanisa|endrika tsy mitanisa,]] izy ao amin'io fiteny io.
 
Ohatra:
Andalana faha-50:
 
=== Filaza mirary ===
Ny filaza mirary dia filaza hita amin'ny fiteny sasany ka entina ilazana ny firariana (tsara na ratsy). Tsy ny fiteny rehetra no ahitana azy io. Ahitana azy ny [[fiteny grika taloha]], ny fiteny[[Fiteny persana|fiteny persàna taloha]], ny [[Fiteny sanskrity|fiteny sanskrita]], ny [[fiteny albaney]], ny [[fiteny japoney]], ny [[fiteny finoa]] ary ny [[Fiteny tiorka|fiteny torka]].
 
Ohatra:
Andalana faha-64:
Grika taloha: <u>''Γένοιτό''</u> ''μοι κατὰ τὸ ῥῆμά σου''. ("Ho tanteraka amiko araka ny teninao anie iany") (Liokoa 1.38).
 
== Endri-matoanteny lazainaatao fahoe filaza koa ==
Ny endri-matoanteny toy ny endrika tsy mitanisa sy ny ova-matoanteny ary ny endri-matoanteny toejavatra dia lazaina ao amin'ny fitsipitenin'ny fitey eoropeana ho isan'ny filaza koa.