Hanokatra ny renilisitra

Modifications

Nanitatra
Ny [[fiendrika]] na [[Fiendrika|fitodika]] dia toetra ara-pitsipiteny ananan'ny teny amin'ny [[sokajin-teny]] sasany, indrindra ny [[matoanteny]] (atao entimilaza), izay hita taratra amin'ny fiovan'endrik'ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin'ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Ny fiendrika fantatra indrindra ao amin'ny [[fiteny]] maro dia ny fiendrika mpanao sy ny fiendrika iharana. Ao amin'ny fiteny malagasy dia mbola ahitana ny fiendrika mpamari-toe-javatra. Arakaraka ny [[mpahay teny]] no anavahana na tsia ny atao hoe ''fitodika'' sy ''fiendrika''.
 
== Fiendrika sy fitodika ao amin'ny fiteny malagasy ==
 
=== Fitodika araka ny fitsipitenin'ny Eoropeana ===
Telo ny fitodika fantatra araka ny fitsipiteny nolovana tamin'ny fitsipiteny eoropeana, ka ireto avy iany:
 
* Fitodika mpanao: ''Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy''. ''Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra''.
* Fitodika iharana: ''Kapain'ny ankizy amin'ny antsy ny hazo''. ''Aketsa ny vary''. ''Akapan'ny ankizy ny hazo ny antsy''.
* Fitodika mpamari-toe-javatra: ''Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy''.
 
=== Fitodika araka an'i Siméon Rajaona ===
Araka ny mpahay teny malagasy Siméon Rajaona dia maro ny fitodika ao amin'ny fiteny malagasy, sady tsy ny matoanteny ihany no voakasika fa ny reniteny sasany toy ny anarana sy ny mpamari-toetra koa.
 
==== Fitodika mahakasika ny matoanteny ====
Ireto avy ny fitodika mahakasika ny matoanteny:
 
* Fitodika mpanao: ''Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy''.
* Fitodika sehatra: ''Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra''.
* Fitodika iharana: ''Kapain'ny ankizy amin'ny antsy ny hazo''.
* Fitodika atao: ''Aketsa ny vary''.
* Fitodika fitaovana: ''Akapan'ny ankizy ny hazo ny antsy''.
* Fitodika mpamari-toe-javatra: ''Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy''.
* Fitodika mpampanao: ''Mampikapa hazo ny ankizy ny mpampianatra''.
* Fitodika mpifanao: ''Mifampikapa amin'ny antsy ny ankizy''.
 
==== Fitodika tsy mahakasika ny matoanteny ====
 
* Fitodika tsaraina: ''Tsemboka ilay mpangalatra.''
* Fitodika tompon-javatra: ''Fotsy volo izany lehilahy izany''.
* Fitodika mpamari-toe-javatry ny tsaraina: ''Nahatsemboka ilay mpangalatra ny fanenjehana azy.''
* Fitodika mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra: ''Ny fahasahiranana no nahafotsy volo izany lehilahy izany.''
 
== Jereo koa: ==
10 674

modifications