Mpisolo tena (fitsipiteny): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fiteny
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Mpisolo tena (fitsipiteny)|mpisolo tena]] dia [[teny]] enti-manondro ireo sokaji-mpandray anjara telo ara-pitsipiteny ao amin'ny fifampiresahana, dia ny miresaka sy ny iresahana ary ny resahina. Ny fiteny rehetra dia ahitana ny [[sokajin-teny]] mpisolo tena avokoa fa ny isany sy ny endriny ary ny fampiasana azy no tsy mitovy. ana-tsokajy ao amin'ny [[Mpisolo (fitsipiteny)|mpisolo]] ny mpisolo tena.
 
Amin'ny teny malagasy, ny mpisolo tena ampiasain'ilay miresaka mba hanondrony ny tenany na mahafaoha azy dia ny hoe "izaho" na "isika" na "izahay"; ny mpisolo tena anondroan'ilay miresaka ny olona na zavatra iresahany dia ny hoe "ianao" na "ianareo"; ny mpisolo tena ampiasain'ilay miresaka hanondroany ny olona na zavatra ivelan'io firesahana io nefa resahina dia ny hoe "izy". Miova endrika ireo teny ireo arakaraka ny anjara asa sahaniny ao amin'ny fehezanteny.