Fehezanteny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[fehezanteny]] dia [[teny]] na andian-teny tononina na soratana manara-pitsipika ka azo ampitana hafatra mahaleo tena noho izy azo sarahana amin'ny hafa izay mety hitovy asa aminy. Raha soratana ny fehezanteny dia azo ampanombohina amin'ny [[sora-baventy]] ka faranana amin'ny [[teboka]], ary izany tokoa matetika no famaritan'ny boky fianarana fitsipi-teny ho an'ny ankizy azy.
 
Ny fehezanteny ahitana teny roa na mihoatra no tena mateti-piseho, nefa raha teny iray no mamorona ny fehezanteny dia matetika isan'ny sokajin-teny afaka mahaleo tena, toy ny [[anarana]] sy ny [[matoanteny]] sy ny [[mpamaritoetrampamari-toetra]] ary ny [[tenim-piontanana]], io teny io.
 
Raha andian-teny ny fehezanteny dia tokony ho fitambaran-teny atohy amin'ny fanajana ny fitsipiky ny fifehezan-teny (isan'izany ny fandaharana ny teny, ny fampiasana [[mpampitohy]] sy [[mpampiankin-teny]] na [[mpampiankina fehezankevitra]]) ka matetika ahitana [[entimilaza]] sy [[AnjaraLazaina asa lazaina(fitsipiteny)|lazaina]] (ary [[AnjaraFameno asa fameno(fitsipiteny)|fameno]], raha mitaky izany ny fitsipika mifehy ny karazan'ilay fehezanteny).
 
Ireo sokajin-teny voatanisa farany ireo, izay misahana anjara asa mampifandray ny teny anaty fehezanteny na anaty andianteny (atao hoe tarika), dia tsy afaka mandeha mitokana mba ho lasa fehezanteny.