Amôna (fanjakana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy voaforona amin'ny « I Amona dia fanjakana na firenena tamin'ny Andro Taloha tao Atsinanana Akaiky teo anelanelan'ny tany efitr'i Siria sy ny ony Jordana. Ny va... »
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny tantara tamin'ny Andro Taloha
Andalana faha-1:
[[Sary:Kingdoms around Israel 830 map.svg|vignette|313x313px|Sarintanin'ny Atsinanana Akaiky tamin'ny taonjato faha-9. [[Moabita|M]]<nowiki/>iloko volomboasary ny Fanjakan'i Amona.]]
 
I [[Amona (fanjakana)|Amona]] dia fanjakana na firenena tamin'ny [[Andro Taloha]] tao [[Atsinanana Akaiky]] teo anelanelan'ny tany efitr'i Siria sy ny ony [[Jordana (ony)|Jordana]]. Ny vahoak'i Amona dia atao hoe Amonita. Araka ny voalaza ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy]] (Gen. 19.38) dia taranak'i Bena Amy eanak'i Lota ny sady havana akaikin'ny [[Moabita]].
 
Tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. hatramin'ny taonjato faha-6 tal J.K. dia nandroso ny sivilizasionan'ny Amonita. Ny tananan'i Rabata Amona no renivohitry ny moabita. Ny Israelita sy ny Amonita dia niady matetika. Tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha-10 tal. J.K., araka ny [[Boky faharoan'i Samoela]] (2Sam. 12.26-31), dia resin'ny mpanjaka [[Davida (Baiboly)|Davida]] ka nandevoziny ny Amonita.
 
Tamin'ny taona 721 tal. J.K. taorian'ny faharavan'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]] dia nanorim-ponenana tao amin'ny atsinanan'ny ony [[Jordana (ony)|Jordana]] ny Amonita. Ny Fanjakan'i Amona mahaleotena dia rava teo antenantenan'ny taonjato faha-6 tal. J.K. Taty aoriana dia nifangaro tao amin'ireo foko arabo ny Amonita.