Bokin' i Hôsea: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Duccio di Buoninsegna 063.jpg|vignette|425x425px|''Ny mpaminany [[Hosea]],'' nataon'i Duccio di Buoninsegna, anelanelan'ny taona 1308-1311]]
Ny '''Bokin’i Hosea''' na [[Bokin'i Hosea|Bokin'i Osea]] dia boky ao amin’ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) sy ao amin’ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Baiboly]] kristiana. Ahitana taratra ny tantaram-pivavahan’ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakana tany Avaratr'i Israely]] sy ny fivoaran’ny [[jodaisma]] io boky io. Voalohany amin’ireo bokim-paminaniana roa ambin’ny folo'','' atao hoe “mpaminany"mpaminany madinika”madinika", noho ny hafohin’ny asa-sorany, io boky io. Ny hevi-dehiben’ny boky dia ny fitiavan’i [[Iahveh]] ny vahoakany izay asehon’ny fanambadian’i [[Hosea (mpaminany)|Hosea]] (na Osea) an’ilay vehivavy janga atao hoe Gomera. Hentitra ny fomba fitenin’i Hosea manoloana ny vahoaka miaina amin’ny fomba sy fanao izay miseho lany hatrany ho mifanohitra amin’ny finoana an'i Iahveh sy ny lalàny.
 
== Ny fonoratana ny boky ==
 
=== Ny mpanoratra ===
Atao hoe nosoratan’i [[Hosea]] (na [[Hosea|Osea]]) ny boky. Nefa tsapa fa ny toko faha-4 hatramin’ny faha-13 dia hoatry ny nosoratr’olo-maro. Ny fomba fonoratra ao dia tsyTsy mitovy amin’izay hita ao amin’ny toko telo voalohany sy ny toko faha-14 ny fomba fonoratra ao. Agamba avy any amin'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakana Avaratra]] i Hosea. Nanomboka tokony ho tany amin’ny faraparan’nyfaramparan’ny fanjakan’i Jeroboama II (782 – 753 tal. J.K.) ny asa fitoriana nataony. Nahatonga an'i Hosea hahalala bebe kokoa ny fitiavan’Andriamanitra ny olony'','' na dia be [[fahotana]] aza'','' ny fitiavany ny vadiny izay be fahadisoana.
 
=== Ny fotoana nanoratana ===
Voasoratra tamin’ny taonjatofaha-8 tal. J.K.'','' tao amin'ny [[Fanjakan'i Jodà|tanin’i Joda]]'','' rehefa rava i Isiraely[[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Israely]]'','' ny boky manontolo.
 
{{Testamenta Taloha}}
 
== Fizaràn’ny boky ==
Misy toko 14 ny Bokin’i Hosea ary azo zaraina roa, ka ny voalohany manomboka eo amin’ny toko voalohany hatramin’ny tokonfahatoko faha-3. Ny toko sisa rehetra (faha-4 hatramin’ny faha-14) dia an’ny fizaràna faharoa.
 
==== Fizaràna voalohany (toko 1 - 3) ====
Ny toko voalohany hatramin’ny faha-3 dia milaza ny fiainam-panambadian’i Hosea tamin’i Gomera'','' izay vehivavy mpijangajanga. Ampitahain’i Hosea amin’ny fifandraisan’Andriamanitra amin'i Israely ny fifandraisany amin’ny vadiny. Io fanambadiany io dia heverin’ny mpanao heviteny maro ho manana heviny ara-panoharana no sady mitantara tokoa ny zavatra mahazo ny mpaminany.

Maneho ny fitsikerana sasany fa ny maha ara-panoharana ny zavatra sasantsasany ao amin’ireo toko telo voalohany dia mifandray amin’ny anaran’ny zanaky ny mpaminanay'','' izay midika hoe “ilay"ilay tsy tiana”tiana" sy “ilay"ilay tsy oloko”oloko". Ny fanekem-pihavanana eo amin’Andriamanitra sy i Israely'','' izay niorina tamin’ny voalohany tamin’ny lalàna'','' dia fifamatorana ara-panahy miorina amin'ny fitiavana ihany koa. Voatsindry mafy amin’ny fampiasana teny izay tsy tokony hampiasaina ivelan’ny fitiavana ara-nofo izany fomba fijery izany.

Raha i Hosea na Andriamanitra no ilay vady voahitsakitsaka'','' ny vadiny na i Israely kosa no ilay vehivavy janga. Io vehivavy io sy ny taranany dia ho voasazy'','' nefa isaky ny manota izy dia voavela heloka hatrany (toko faha-3)'','' satria resin’ny fitiavana ny hatezerana.
 
==== Fizaràna faharoa (toko 4 - 14) ====
Ny toko faha-4 hatramin’ny faha-13 dia faminaniana fohy maro mifanarakaraka momba ny fiharatsiana ara-panahin’ny vahoaka'','' ny fahalemena ara-pitondran-tenan’ireo mpanjaka sy ireo mpisorona ary ireo mpaminany izay miteraka ny fitsarana sy ny fanasaziana avy amin'Andriamanitra. Avy eo misy ireo tonon-kira izay mamisavisa ny helok’i Israely tany amin’ny andro taloha. Ny amin’ny loza izay mananontanona no hevitra mibahana indrindra ao amin'io fizaràna io.

Ao amin’ny toko faha-14 (andininy faha-4-8) vao mihamalefaka ny fomba fitenin’ny mpaminany Hosea izay milaza faminaniam-pamonjena sy famindram-po ho an’ireo izay matahotra an’i Yahweh[[Iahveh]] sy ireo olona marina.
 
== Ireo lohahevitra lehibe ==
I Hosea no mpaminany voalohany nampiasa ny [[fanambadiana]] ho fomba fanambaràna ny fifandraisana misy eo amin’Andriamanitra sy i Israely. Izany lohahevitra izany dia miseho fanindroany ao amin’ny [[Bokin'i Ezekiela]] (toko faha-16). Hita matetika izany lohahevitra izany taty aoriana tao amin’ny [[teolojia]] kristiana. Ny fitiavanafitiavan'Andriamanitra tsy mety ritran’Andriamanitraritra (Hos. 11) dia hita koa ao amin’ny tenin’ny mpaminany [[Bokin'i Jeremia|Jeremia]] tao [[Fanjakan'i Jodà|Joda]] tamin’ny nampananontanona ny fanafihan’ny firenena fahavalony an’ity fanjakana ity. Miavaka anefa i Hosea noho ny fanandratany avo ny fitiavana izay sitrak’Andriamanitra lavitra noho ny fanatanterahana [[sorona]] ary ny fahalalana an’i Iahveh no ankasitrahana fa tsy ny [[fanatitra]] dorana aterina aminy (Hos. 6.6).
 
== Fampiasana ny boky ao amin’ny Testamenta Vaovao ==
 
==== Ao amin’ireoamin'ny Filazantsara ====
I Hosea dia matetika ampahatsiahivina ao amin’ny [[Filazantsara]] ary indroa i [[Jesoa]] Kristy no mamerina izany: ao amin’ny [[Filazantsara araka an'i Matio]] (9.13)'','' i Jesoa dia mampahatsiahy ny Hos. 6.6; ao amin’ny [[Filazantsara araka an'i Lioka]] (23.30) dia tsiahiviny koa ny Hos. 10.8.