Kônsily: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanao fanitsiana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-12:
 
==== Ny Konsily voalohany tao Nikea (taona 325) ====
Ny [[Konsily voalohany tao Nikea]] dia natao tamin'ny taona 325 ka ny emperora Konstantino no nampiantso azy. Io no konsily voalohany. Izany dia natao mba handraiketana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy ka hanoherana ny fampianaran'i Ariosy ([[Arianisma (teolojia)|arianisma]]) izay noheverina ho fampianaran-diso tamin'izay. Tapaka fa mitovy fomba (''homoousia'') amin'ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] ny [[Andriamanitra Zanaka|Zanaka]] amin'ny maha [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] ny Ray sy ny Zanaka. Navoaka ny [[Fanekem-pinoana nikeana]].
 
==== Ny Konsily voalohany tao Konstantinopoly (taona 381) ====
Nanamafisana ny zavatra tapaka tao amin'ny Kosilin'i Nikea ny [[Konsily voalohany tao Konstatinopoly]] izay nohalavainananalavana ny Fanekem-pinoana nikenana ka lasa [[Fanekem-pinoana nikeana|Fanekem-pinoan'i Nikea sy Konstantinopoly]]. Io no konsily faharoa. Tapaka fa Andriamanitra koa ny [[Fanahy Masina]]. Tsy nandray anjara tamin'io ny [[Fiangonana Latina|Fiangonana latina]].
 
==== Ny Konsily tao Efeso (taona 431) ====
Ny [[Konsily tao Efeso]] (na Efesosy na Efezy) dia nanapahana ny maha [[Renin'Andriamanitra]] (gr.: ''Theotokos'') an'i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]]. Iono konsily fahatelo. Nivoaka noho izany ny Fanekem-pinoan'i Efezy. Tsy eken'ny Protestanta ny fiantsoana an'i Maria ho [[Renin'Andriamanitra]]. Nitsipahana ny [[nestorianisma]] koa izany.
 
==== Ny Konsily tao Kalkedona (taona 451) ====
Ny [[Konsily tao Kalkedona]] no nanambaràna ny fananan'i Jesosy fomba (na natiotra) roa, dia natioran'Andriamanitra sy natioran'olombelona. Io no konsily fahefatra. Izany konsily izany no nanoherana an'i Eotikesy, izay nampianatra fa nifangaro ka tsy azo avahana ao amin'ny natioran'Andriamanitra ny natioran'olombelona ao amin'i Kristy. Heverin'ny tao amin'ny konsily ho fampianaran-diso izany fampianarana izany izay ataonataony hoe ''[[monofizisma]]''.
 
=== Ireo konsily efatra manaraka ===
 
==== Ny Konsily faharoa tao Konstantinopoly (taona 553) ====
Nanamafisana ny fananan'i Kristy natiora roa ny [[Konsily faharoa tao Konstantinopoly]] ka nambara fa sady olona no Andriamanitra i Kristy. Io no konsily fahatelo. Nohelohina ny asa soratra manohana ny [[nestorianisma]].
 
==== Ny Konsily fahatelo tao Konstantinopoly (taona 680 sy 681) ====
Nambara tamin'ny [[Konsily fahatelo tao Konstantinopoly]] fa manana sitrapo roa i Kristy amin'ny maha olombelona sy Andriamanitra azy, dia sitrapon'olombelona sy sitrapon'Andriamanitra. Io no konsily fahenina. Nohelohina noho izany ilay atao hoe ''[[Mônôtelisma|monotelisma]]''.
 
==== Ny Konsily faharoa tao Nikea (taona 787) ====
Ny [[Konsily faharoa tao Nikea]] dia natao mba nanamelohanahanamelohana ny fanimbana sary masina iayizay nomena ny anarana hoe ''ikonoklasma''. Io no konsily fahafito. Ny mpomba ny fanimbana ny sary masina dia nilaza fa mifanohitra amin'ny fivavahana kristiana marina ny fampiasana sary hanehoana an'i Kristy sy i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] sy ireo olomasina hafa. Nandresy tamin'izany konsily izany ny mpomba ny fampiasana ny sary masina (atao hoe ''ikonodola''). Nekena ny fanajana ny sary masina.
 
==== Ny Konsily fahefatra tao Konstantinopoly (taona 869 sy 870) ====
Ny [[Konsily fahefatra tao Konstantipopoly]] no nampisaraka ny Fiangonan'i Roma sy ny [[Fiangonana ortodoksa tandrefana|Fiangonan'i Konstantinopoly]]. Io no konsily fahavalo. Notapahana koa fa ny [[Lovantsofina (kristianisma)|Lovantsofina]] na Lovampinoana dia isan'ny fitsipiky ny finoana koa manampy ny [[Soratra Masina|Soratra masina]]. Nohelohina ny fiheverana ny olona ho fitambaran-javareajavatra telo -, dia ny vatana sy ny fanahy-aina ary ny fanahy; ary nohamafisina ny fiheverana ny olombelona ho fitambaran-javatra roa, dia ny vatana sy ny fanahy-aina.
 
Nataon'ny Fiangonana tandrefana hoe mivoaka amin'ny Ray sy ny Zanaka ny [[Fanahy Masina|Fanahy masina]]: izany no atao amin'ny teny latina hoe ''Filioque'' ("sy ny Zanaka"). Tsy neken'ny Fiangonana ortodoksa izany konsily izany. Nitsipaka ny fanovanana ny ny hoe ''Filioque'' amin'ny [[Fanekem-pinoana nikeana]] izany konsily izany. Ny Fiangonan'i Roma dia nino fa mivoaka amin'ny Ray sy ny Zanaka ny [[Fanahy Masina]] fa ny Fiangonan'i Konstantinopoly kosa tsy nanaiky an'izany fa nanamafy ny fivoahan'ny Fanahy Masina amin'ny Ray irery ihany.
 
== Ireo konsily iraisam-paritra ==
Andalana faha-59:
Ireto avy izy ireo:
 
* ny [[Konsily tao Tredenta]] (taona 1545 sy 1563)
* ny [[Konsily valohany tao Vatikana]] (taona 1869-1870)
* ny [[Kosily faharoa tao Vatikana]] (taona 1962 sy 1965)
 
Ankoatr'ireo konsily ekiomenika sy konsily iraisam-paritra ireo dia nisy koa ny konsily isam-paritra izay maro dia maro.