Diôfizisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny kristianisma
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 26 Janoary 2019 à 08:48

Ny diofizisma na diofizitisma dia fampianarana krostolojika noraisin'ny konsily ekiomenika fahefatra, dia ny Konsily tao Kalkedona tamin'ny taona 451 izay manambara ny maha tokana an'i Kristy manana fomba (natiora) roa tsy mifangaro sy tsy miova ary tsy mizara no tsy misaraka.

Tantaran'ny diofizisma

Tamin'ireo taona nanaraka ny Konsily tao Kalkedona dia tsy nanaiky ny fanapahan-kevitr'io konsily io sady nisaraka tamin'ny "ortodoksia" ny Fiangonan'i Antiokia sy ny an'i Aleksandria ary ny an'i Armenia izay natao hoe "monofizita" nefa raha ny tena marina dia nitory ny "miafizisma" (natiora tokan'i Kristy, izay sady Andriamanitra no olombelona: Kristy iray manana natiora roa).

Foto-pampianarana

Ny diofizisma, izay hita ao amin'ny Fiekem-pinoan'i Kalkedona, dia mitory Kristy iray manana fomba (natiora) roa izay tsy mifangaro sy tsy miova ary tsy mizara no tsy misaraka. Inty ilay fiekem-pinoana:

"Araka ireo Ray masina izany, izahay dia mampianatra amim-piraisam-peo fa mitory Zanaka iray sady tokana, dia ny Tomponay Jesosy Kristy, ilay tanteraka amin'ny maha Andriamanitra, sy tanteraka amin'ny maha olombelona, Andriamanitra tokoa ary olona tokoa misy fanahy misaina sy vatana, mitovy maha izy azy amin'ny Ray araka ny maha Andriamanitra sy mitovy maha izy azy amintsika araka ny maha olombelona, manahaka antsika amin'ny lafiny rehetra afa-tsy amin'ny fahotana, nateraky ny Ray talohan'ny fotoana rehetra araka ny maha Andrimanitra, ary amin'ny andro farany izy tenany ilay (nateraka) ho antsika sy ho an'ny famonjena antsika avy amin'ny Maria Virjiny, Renin'Andriamanitra araka ny maha olombelona, Kristy iray sady tokana, Zanaky ny Tompo, izay hany nateraka, ekena fa manana fomba (natiora) roa, tsy mifangaro, tsy miova, tsy mizara ary tsy misaraka, ny mahasamihafa ireo fomba roa ireo dia tsy foana noho ny fiombonana, ny toetran'ny fomban'ny natiora tsirairay dia voatahiry sady mandray anjara amin'ny persona sy hipostazy iray, dia Kristy tsy mivaky sy tsy misaraka ho persona roa, fa Zanaka iray sady tokana, tokana nateraka, Andriamanitra Teny, Tompo Jesosy Kristy."

Jereo koa: