Dôketisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-5:
 
== Fiantraikan'ny filozofian'i Plato ==
Izany fandavana ny maha olona tokoa an'i Jesoa Kristy miksymisy ifandraisany amin'ny foto-kevitra filozofika doalista izay mampifanohitra ny zavatra azo tsapain-tanana (na raha) amin'ny fanahy. Araka ny filozofia platonisiana sy neo-platonisiana dia mifanohitra ny ''raha'' (latina: ''materia''; grika: ''ὕλη'' / ''hulê'') sy ny ''fanahy'' (latina: ''spiritus;'' grika: ''πνεῦμα'' /''pneuma'') satria ambany ny raha fa ny fanahy kosa dia ambony lavitra. Noho izany ny mpomba ny doketisma dia milaza fa Andriamanitra dia tsy afaka hikambana amin'ny raha. Laviny araka izany ny fandraisana ara-bakiteny ny voasoratra ao amin'ny [[Evanjelin'i Joany]] (Joa. 1.14) izay manambara ny fahatongavan'ny Teny ho nofo.
 
== Endrika samihafan'ny doketisma ==
Andalana faha-13:
Tsy ahitana firesahana mivantana moba ny doketisma ny ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] nefa nahazo vahana io fampianarana io tamin'ny taonjato faha-2 sy faha-3, tamin'ny nifanojoany amin'ny [[gnostisisma]] izay nifanohana aminy. Ireo [[Rain'ny Fiangonana]] tamin'ny fotoan'androny dia nanohitra mafy ny doketisma, indrindra fa i Ignasio avy any Antiokia sy i Ireneo, nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-2.
 
Notsipahin'ny mpivory tamin'ny Konsily voalohany tao Nikea tamin'ny taona 325 ny doketisma. Taty aoriana dia nanameloka ny doketisma ny Konsily tao Kelkedona tamin'ny taona 451. Ny [[Fiangonana Katolika]] sy ny [[Fiangonana ortodoksa tatsinanana|Fiangonana Ortodoksa Tatsinanana]] sy ny [[Fiangonana Ortodoksa Koptan'i Aleksandria]] ary ny [[Fiangonana ortodoksa teoahedo|Fiangonana Ortodoksa Teoahedo]] dia manao ny doketisma ho fampianaran-diso. Manao torak'izany koa ny ankamaroan'ny fiangonana kristiana hafa izay nandray ny fehin-kevitr'ireo [[Konsily|konsili]]<nowiki/>n'ny Fiangonana tany aloha.