Andriamanitra Ray: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
[[Andriamanitra Ray]] no iantsoana an'[[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] ao amin'ny fivavahana maro, indrindra ao amin'ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]]. Ao amin'ny [[jodaisma]] dia nampianatra ny toetr'i [[Iahveh]] amin'ny maha Ray azy noho izy [[Famoronana (finoana sy fedrà)|namorona]] izao rehetra izao, noho ny fitaizana nomeny ary noho ny maha Rain'ny vahoakan'i Israely azy.
 
I [[Jesosy Kristy]], ao amin'ny fampianarany hita ao amin'ny [[Vaovao Mahafaly]], dia mamaritra ny maha Ray an'Andriamanitra amin'ny maha Andriamanitra fitiavana azy. Izany maha Ray an'Andriamanitra izany dia asehon'ny fifandraisan'i Jesosy manokana aminy, nefa miseho koa izany amin'ny Kristiana izay antsoiny hanao azy ho Ray amin'ny maha zanaka natsangany azy ireo sady misokatra ho an'ny olombelona rehetra. manamafy izany ny [[vavaka nampianarin'ny Tompo]].
 
Nihalalina izany fiheverana ny maha Ray an'Andriamanitra izany ao amin'ny fiangonana kristiana be mpanaraka ka inoana fa persona voalohany ao amin'ny [[Trinite]] ny Andriamanitra Ray. Persona faharoa sy fahatelo ny [[Andriamanitra Zanaka]] ([[Jesosy Kristy]]) sy ny [[Fanahy Masina|Andriamanitra Fanahy Masina]]. Hatramin'ny taonjato faharoa no efa nisian'ny fanambaràna ny finoana an'Andriamanitra Ray (Tsitoha)" izay manindry ny maha Ray sy mpamorona an'izao tontolo izao an'Andriamanitra. Ao amin'ny kristianisma trinitariana dia lasa lavitra kokoa ny finoana an'Andriamanitra Ray araka ny hita ao amin'ny [[Fanekem-pinoana apostolika|Fanekam-pinoana apostolika]] izay manambara ny finoana ny "Ray tsitoha, mpanao ny lanitra sy ny tany".