Hiran' i Debôrà: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Hiran'i Debora]] na [[Hiran'i Debora|Antsan'i Debora]] na [[Hiran'i Debora|Tononkiran'i Debora]] dia tonon-kira hita ao amin'ny [[Bokin'ny Mpitsara]] (Mpits. 5.2-31). Hiram-pandresena izy io, izay nohirain'i [[Debora]] sy i Baraka noho ny nandresen'ny [[fokon'i Israely]] sasany ireo [[Kananita]] fahavalony.
 
== Sombiny amin'ilay Hiran'i Debora ==
"<sup>1</sup> Debora sy Baraka, zanak'i Abinoama, dia nihira tamin'izany andro izany ka nanao hoe:
 
<sup>2</sup> Noho ny fitarihan'ny lehibe tamin'ny Isiraely sy ny fahazotoan'ny vahoaka nanolotena, dia miderà an'i Jehovah.[…]
 
<sup>14</sup> Ny avy amin'i Efraima, izay miorina amin'i Amaleka, dia nomba anao teo amin'ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan'ny mpanao lalàna, ary avy tamin'i Zebolona ireo mitana ny tehin'ny mpifehy.
 
<sup>15</sup> Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
 
<sup>16</sup> Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
 
<sup>17</sup> Gileada nitoetra tany an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.
 
<sup>18</sup> Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any an-tsaha.
 
<sup>19</sup> ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, dia teo anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.
 
<sup>20</sup> Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin'ny nalehany niady tamin'i Sisera. […]
 
<sup>24</sup> Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin'i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy. […]
 
<sup>31</sup> Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona." (Mpits. 5.2-31)
 
== Fanadihadiana ==
 
==== Fotoana nanoratana ilay hira ====
Ny manampahaizana momba ny [[Baiboly]] dia mihevitra fa isan'ny lahatsoratra tranainy indrindra ao amin'ny Baiboly io tonon-kira io ka mety tany amin'ny taonjato faha-12 tal J.K. no nanoratana azy voalohany raha ny firafitry ny teny amam-pehezanteny sy ny tantara manodidina azy no heverina<ref name=":0"><small>Coogan, Michael D. (2009), ''A Brief Introduction to the Old Testament: The Hebrew Bible in its Context'', Oxford University Press, p. 180.</small></ref>. Ny mpikaroka sasany anefa milaza fa ny fitenenany sy ny votoatiny dia manambara fa tsy voasoratra talohan'ny taonjato faha-7 tal J.K. io hira io<ref><small>Frolov, S. (2011). "How Old is the Song of Deborah?". ''Journal for the Study of the Old Testament''. '''36''' (2): 163–184. doi:10.1177/0309089211423720.</small> </ref>. Misy tsy fitovizany amin'ny zavatra resahina ao amin'ny lahatsoratra manodidina azy (Mpits. 4) ihany koa ilay tonon-kira.
 
==== Foko nandray anjara tamin'ny ady ====
Foko enina no voresaka ao amin'io hira io fa nandray anjara tamin'ny ady, dia i [[Fokon'i Efraima|Efraima]] sy i [[Fokon'i Benjamina|Benjamina]] sy i MahiraMakira sy i [[Fokon'i Zebolona|Zebolona]] sy i [[Fokon'i Isakara|Isakara]] sy i [[Fokon'i Naftaly|Naftaly]], ka tsy mifanaraka amin'ny voalaza ao amin'ny Mpitsara 4.6 izay miresaka an'i Neftaly sy i Zebolona sady tsy miresaka ny zavatra nataon'i Jabina<ref><small>Nelson, Richard (2006). "Judges". ''The Harper Collins Study Bible'', Revised Edition. Eds. Attridge, Harold and Wayne Meeks. New York: HarperCollins, p. 353.</small></ref>. Na dia faita matetika ny hiram-pandresena ao amin'ny [[Baiboly hebreo]] dia tsy misy toa azy ny ''Hiran'i Debora'' noho izy mankalaza ny fandresen'ny tafika nampiam-behivavy roa: dia i Debora sy i Jaela. Nanoratra i Michael Coogan fa ny maha vehivavy dia famantarana fanampiny fa i [[Iahveh]] tenany no tena nandresy: navarotry ny Tompo teo am-pelantanam-behivavy i Sisera mpitari-tafika kananita (Mpits. 4.9)<ref name=":0" />.
 
"''Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?''" (Mpits. 4.6)
 
==== Iahveh Andriamanitra no nandresy ====
Na dia fahita matetika ny hiram-pandresena ao amin'ny [[Baiboly hebreo]] dia tsy misy toa azy ny ''Hiran'i Debora'' noho izy mankalaza ny fandresen'ny tafika nampiam-behivavy roa: dia i Debora sy i Jaela. Nanoratra i Michael Coogan fa ny maha vehivavy dia famantarana fanampiny fa i [[Iahveh]] (na Jehovah) tenany no tena nandresy: teo "''an-tanam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera''" mpitari-tafika kananita (Mpits. 4.9)<ref name=":0" />.
 
==== Foko tsy voalaza ====
Tsy voalaza ao amin'ny Hiran'i Debora ny [[fokon'i Levy]] sy ny [[fokon'i Jodà]] sy ny [[fokon'i Simeona]].
<br />
 
== Jereo koa: ==