Teôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[teolojia]] dia taranja na vondron-taranja atao hianarana sy hahalalana ny amin'[[Andriamanitra (tokana)|Andramanitra]], na ny amin'ny hoe "[[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]]", amin'ny alalan'ny fandraisan'anjaran'ny fisainan'olombelona ho enti-manazava sy handaminana bebe kokoa izay zavatra fantatra tamin'ny alalan'ny [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràna]] ka miantefa amin'ny finoana.
 
Na dia tao amin'ny [[Fivavahana kristianna|fivavahana kristiana]] aza no tena nahafantarana ny fanaovana teolojia dia maro koa ireo fivavahana manao telojia ka isan'izany ny fivavahana [[silamo]] sy ny [[jodaisma]]. Tsy ny tontolon'ny fivavahana ihany no ahitana teolojia fa ahitana azy koa ny taranja [[Filôzôfia|filozofia]] toy ny sampan-taranja [[metafizika]] (dia ilay atao hoe onto-teolojia). Tsy ny finoana rehetra koa tsy akory no manaiky ny fanaovana teolojia fa misy ireo izay mitsipaka an'izany ka mihevitra fa tsy mety hifangaro amin'ny zavatra momba ny finoana na hanampy zavatra hafa tsy araka ny fanambaràna tokony hiantefa amin'ny finoana ny teolojia.

Amin'izao fotoana izao dia maro ny sekoly sy oniversite ianarana teolojia nefa ny sasany dia tsy miankina amina amin'antokom-pivavahana ka ny mpianatra sy ny mpampianatra ao dia tsy voatery ho olona mino.
 
Fomba fiasa voasaina<ref name=":0"><small>''Voasaina'': fr: "rationnel"</small></ref> no entina manao ny fanakarana ny momba an'Andriamanitra sy ny manodidina azy hany ka nisy fotoana tsy niaingan'ny mpanao teolojia tamin'ny Soratra Masina, izay vokatry ny fanambaràna, hanakarana ny tontolon'Andriamanitra fa tamin'ny fisainany irery ihany.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''teolojia'' dia avy amin'ny teny grika hoe θεολογία / ''theologia'', izay azo amin'ny fanakambanana ny teny hoe Θεός / ''theos'' (midika hoe "andriamanitra") sy ny hoe -λογία / ''logia'' (midika hoe "fitenenana" na "firesahana") nisampana avy amin'ny teny hoe λόγος / ''logos'' ("teny"). Ny mpampiatatrampampianatra na ny izay nianatra teolojia noataono atao hoe ''teolojiana''.
 
== Ny ''theologia'' teo amin'ireo filozofa grika ==
Ny teny grika hoe ''θεολογία'' / ''theologia'' dia nampiasain'i [[Plato]] amin'ny dikany ara-bakiteny hoe "resaka momba ny andriamanitra" na "resaka momba an'Andriamanitra" tamin'ny taonjato faha-4 tal. J.K. tao amin'ny asa soratra nataony, ao amin'ny Boky faha-2 toko faha-18<ref><small>Liddell and Scott's ''[http://www.perseus.tufts.edu/cgi-bin/ptext?doc=Perseus%3Atext%3A1999.04.0057;query=entry%3D%2348216;layout=;loc=qeolo%2Fgia1 Greek-English Lexicon]''</small></ref>, mitondra ny lohateny hoe ''Πολιτεία'' / ''politeía'' na ''Πολιτεία'' / ''politeía'' ("fitondram-pirenena")<ref><small>Io boky io no nadika amin'ny teny latina hoe ''Res Publica'' ("zava-bahoaka") sady fantatra koa amin'ny teny frantsy hoe ''La République'' na amin'ny teny anglisy hoe ''The Republic.''</small></ref>. Ao amin'io toko io i PtlatoPlato dia nizara ny filozofia ho zana-taranja telo izay nomeny ny anarana hoe μαθηματικὴ / ''mathêmatikê'' sy φυσική / ''phusikê'' ary θεολογκιήθεολογική / ''theologike'', ka ity farany ity no mitovitovy amin'ny [[metafizika]] izay iresahana momba ny fomban'Andriamanitra na ny andriamanitra<ref><small>Aristotle, [http://etext.library.adelaide.edu.au/mirror/classics.mit.edu/Aristotle/metaphysics.6.vi.html ''Metaphysics'', Book Epsilon]. ([https://web.archive.org/web/20080216173401/http://etext.library.adelaide.edu.au/mirror/classics.mit.edu/Aristotle/metaphysics.6.vi.html Tahiry]).</small></ref>.
 
Raha nanoratra araka ny loharano avy amin'ireo filozofa Stoika i Marcus Terentius Varro (mpanoratra latina), dia nanavaka karazana lahateny telo, dia ny lahateny momba ny anganon[[fedrà]]<nowiki/>n'ireo andriamanitry ny Grika, ny lahateny voasaina ara-pilozofia andinihana ireo andriamanitra sy ny amin'izao rehetra izao, ary lahateny momba ny fanaon'ny olombelona eo amin'ny fiarahamonina toy ny fombafomba sy ny adidy ary ny fitandremana ny zavatra andidian'ny fivavahana<ref><small>Araka ny tsiahy ataon'i Aogostino ao amin'ny sorany mitondra ny lohateny hoe ''Tanàn'Andriamanitra'', Boky hafa-6, toko faha-5.</small></ref>.
 
== Ny teolojian'ireo finoana abrahamika ==
 
==== Ao amin'ny Jodaisma ====
Ny tsy nisian'ny fahefana politika misaraka amin'ny fivavahana dia nahatonga ny fandinihana teolojika tsy ho hita afa-tsy tao amin'ny ny tontolo sy ny fiarahamonina ary ny [[sinagoga]], fa tsy nisy toeram-pampianarana manokana, ka isan'izany ireo ady hevitra ifanaovan'ireo Raby momba ny lalàna jiosy sy ny fanaovana heviteny amin'ny [[Torah]]. Zaava-dehibe ho an'ny teolojia kristiana sy ny silamo ary jiosy amin'izao ny teolojian'ny jiosy fahizay<ref><small>Randi Rashkover, '[https://archive.is/20120709141057/http://findarticles.com/p/articles/mi_m2096/is_4_49/ai_58621576 A Call for Jewish Theology'], ''Crosscurrents'', Winter 1999,</small></ref>.
 
Ny teolojian'ny jodaisma dia [[Teolojia apofatika|apofatika]]: Tsy miseho manontolo fa amin'ny ampahany Andriamanitra tamin'ny fotoan'ilay roimemy mirehitra (Eksodosy 3.13-14) raha nanonona ny anarany izay tsy hay tononina ao amin'ilay fehezanteny hoe: [[Iahveh|אֶֽהְיֶ֖ה אֲשֶׁ֣ר אֶֽהְיֶ֑ה / ''Ehieh Asher Ehieh'']]. Sady tokana izy no tsy azo fantarina ([[Isaia]] 40.25). Ny tsy fisian'ny zavatra azo ampitahaina aminy sy ny ny fampitahana azy amin-javatra hafa dia norainsin'i Maimonida izay nanoratra hoe: "Tsy vatana Andriamanitra ary tsy manam-pifanahafana na amin'inona na amin'inona, eo aminy sy ny zavatra noforoniny", ary "ny fisiany tsy tahaka ny azy ireo", ka noho izany dia "tsy samy atao hoe "fisiana" ny fisiany sy ny fisian'izay zavatra ivelany afa-tsy noho ny fitovian'endri-teny"<ref><small>Maïmonide, ''Le Guide des égarés'' Livre I, chap. XXXV.</small></ref>.
 
Ny lohahevitry ny [[fihoa-drahandraha]]<nowiki/>n'Andriamanitra, izay fototr'izany teolojia apofatika izany, dia iankinan'ny filozofia jiosy manontolo, hatramin-dry Moïse Mendelssohn sy Hermann Cohen na ry Léo Strauss sns.
 
Tsy azo fantarina afa-tsy amin'ny alalan'ny fandinihana ny [[Torah]] sy ny heviteny momba izany Andriamanitra, torak'izany koa amin'ny alalan'ny fanajana ireo didy (מִצְווֹת‬ / ''mitsvot''). Ny tsy Jiosy na Jentilisa (''גוים''‎ na ''גויים'' / ''Goyim''), dia afaka mamantatra koa an'Andriamanitra raha manaja ireo [[lalàna fiton'i Noa]].
 
==== Teolojia kristiana ====
Ny teolojia kristiana dia andinihana ny Andriamanitry ny Kristiana sy ny fifandraisany amin'ny olombelona eo amin'ny tantaran'ny famonjena, ka ny fara tampony dia ny asa sy ny sorom-panavotana nataon'i Jesosy Kristy amin'ny maha Tenin' Andriamanitra azy (grika: ''Logos Theou''). Ara-tantara sy araka ireo teolojiana tranainy dia taranja mifanahantsahana amin'ny [[siansa]] ny teolojia satria natao handalinana ny finoana sy hamaliana ny ireo fanontaniana filozofika.
 
Mifantoka amin'ny zava-boalazan'ny [[Testamenta Taloha]] sy ny [[Testamenta Vaovao]] izyny teolojia kristiana nefa koa afaka manampy izany ny lovantsofina (na lovam-pinoana), indrindra ao amin'ny teolojia katolika. Mampiasa ny fanaovana hevi-tenin'ny [[Baiboly]] sy fitsikerana voasaina ary fanjohian-kevitra hentitra ny teolojiana kristiana. Isan'ny tanjoana koa ny hiarovana ny finoana kristiana manoloana ireo fanoherana sy tsikera manaratsy, mba hanamora ny fanarenana eo amin'ny Fiangonana, mba hanampiana ny fampielezana ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]], mba hitrandrahana ireo lovantsofina kristiana.
 
Ny [[tenim-pinoana]] (na dogma) sy ny foto-pampianarana ataon'ny firehana sasany dia niteraka tsy fifanarahan-kevitra teo amin'ny samy teolojiana ka nampisy ireo atao hoe mpanao [[fampianaran-diso]] (na heretika). Mba hanoherana sy handresena lahatra ireo [[Filôzôfia|filozofa]] tamin'izay dia nampiasa ny fitenin'ireo filozofa ireo ny teolojiana. Nisy noho izany ny fifangaroan'ny teolojia sy ny filozofia.
 
==== Ny teolojia miozolmana ====
Ny teolojia miozolmana dia misahana ny fandalinana ny finoana silamo araka ireo sorarasoratra ao amin'ny [[Kor'any]] sy ny Hadita ary ny tantaram-piainan'ny mpaminany mihamady[[Mohamady]]. Atao hoe Kalâm ny taranja ikarohana ireo fototra teolojika amin'ny alalan'ny fomba fiasa amin'ny alalanamisy fampiadian-kevitra sy fanohanan-kevitra voasaina<ref name=":0" />. Amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] dia midika hoe "resaka" na "fitenenana" ny hoe ''Kalâm''. Ao amin'ny teolojia silamo koa dia mitana ny anjara toerany ny [[eskatolojia]] izay miresaka momba ny fiafaran'ny olombelona sy izao rehetra izao sy ny tontolo vaovao handimby azy, ny [[Fitsarana farany|fitsaran'Andriamanitra farany]] ny asan'ny olombelona aorian'ny fitsanganana amin'ny maty.
 
Amin'ireo Sonita dia fito ny fototry ny finoana, dia ny finoana an'i Allah, ny [[anjely]], ny Soratra nambaran'Andriamanitra, dia ny Kor'any, ny mpaminany, ny [[andro farany]], ny [[Fanendren'Andriamanitra mialoha|fanendrena mialoha]] (predestinasiona).
 
Amin'ireo Sonita dia fito ny fototry ny finoana, dia ny finoana an'i Allah, ny anjely, ny Soratra nambaran'Andriamanitra, dia ny Kor'any, ny mpaminany, ny andro farany, ny fanedrena mialoha. Ho an'ireo Shiita kosa dia dimy fitsinyfotsiny izany, dia ny maha tokana an'Andriamantra, ny fahamarinana, ny faminaniana, ny asan'ny imam ary ny momba ny andro farany ([[eskatolojia]]).
 
Ny Motazilita kosa dia manantitrantitra momba ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra fa manana sitrapo malalaka ambonin'ny [[fanendren'Andriamanitra mialoha]] ny olombelona, ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia amnbonyambony noho ny maha tsy toha azy. Mino koa ny Motazilita fa afaka anakarana ny zavatra tian'ny [[Kor'any]] holazaina marina ny fampiasana ny lojika. Izany no fototr'ilay atao hoe اِجْتِ / ''Ijtihâd'' ("ezaka fandinihana").
 
== Jereo koa: ==