Eskatôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-13:
 
==== Ny eskatolojia ao amin'ny Testamenta Taloha ====
Ahitana andalana momba ny eskatolojia ny ao amin'ny [[Testamenta Taloha]], indrindra ny ao amin'ny [[Bokin'i Isaia]] (Is. 24-27; 56-66), ao amin'ny [[Bokin'i Joela]] (na Jôely) ary ny [[Bokin'i Zakaria]] (Zak. 9-14), ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] (na Daniely) ary ao amin'ny [[Bokin'i Mika]] (na Mikea) sy ny [[Bokin'i Amosa]] sy ny [[Bokin'i Zefania]] (na Sôfônia) ary ny [[Bokin'ny Salamo]].
 
Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny eskatolojia dia miompana amin'ny fiandrasana ny [[Mesia]]. Ny fiverenany ety an-tany dia hiaraka amin'ny [[fitsarana farany]] sy ny famonjena an'i [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Israely]] sy i Joda[[Fanjakan'i Jodà|Jodà]]. Hisy famaizan'Andriamanitra hahazo ireo tsy nanaraka ny didiny. Hitsara ny vahoakany Andriamanitra (Salamo 96.13; Mika 6.1-3; Isaia 43.1-6) nefa izy ihany koa no mpanjakany (Isaia 51.11) sy mpiandry (Mika 4.6) ary mpanavotra azy (Isaia 51.11). Amin'ny [[Andron'i Iahveh]] (na Andron'i Jehovah) (Zefania 1.14-16) no hanovana izao rehetra izao sady hiavian'ny [[paradisa]]. Izany Andron'i Iahveh izany dia andro maizina (Amosa 5.18-49). misy olomarinaolo-marina vitsy ho vonjena amin'ny fahatezeran'Andriamanitra izay ho mponina ao amin'i Israely vaovao (Amosa 3.12; Isaia 28.5). Amin'ny lahatsoratra hafa dia amin'io Andron'i Iahveh io no hiverenan'i [[Mosesy]] (na [[Môizy|Moizy]]) na i [[Davida (Baiboly)|Davida]] na i [[Elia]] indray.
 
==== Ny eskatolojia ao amin'ny Testamenta Vaovao ====
Ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] dia betsaka ihany koa ny andalan-tsoratra masina mahakasika ny eskatolojia, indrondraindrindra ny ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Vaovao Mahafaly araka an'i Matio]] sy ao amin'ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsan'i Joany]]. Isan'izany ny fanoharana ny amin'ny Ondry sy ny Osy (Mat. 24). Ireo epistily koa dia miresaka ny amin'ny andro farany.
 
Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia miendrika fiambenana ny fiandrasana eskatolojika. Tokony hiambina sy hiovavakahivavaka ny mpanara-dia an'i [[Jesosy|Jesosy Kristy]] satria akaiky ny fitsarana. Ao amin'ny Testamenta Vaovao amin'ny teny grika dia fampiasa ny teny hoe ἔσχατος / ''eskhatos'' hiresahana ny fiavian'i Kristy ety an-tany fanindroany izay ho fanombohan'ny farany. Nampianatra i Jesosy nandritra ny fotoana nanatanterahananynanatanterahany ny asany sy tamin'ny fotoana niakarany tany an-danitra fa hiverina indray ka hitsara ny velona sy ny maty. Ny [[Apokalipsan'i Joany]] dia manoritsoritra tanteraka ny fiafaran'izao tontolo izao, ny adin'ny Tsara amin'ny herin'ny Ratsy, ary ny hiverenan'i Jesosy Kristy ary ny [[fitsarana farany]].
 
Mbola miafina amin'izao ny [[Fanjakan'Andriamanitra]] (Matio 13). Hoavy indray i Jesosy hitsara ny velona sy ny maty ka izany no atao hoe [[parosia]] (fisehoana fenon'Andriamanitra amin'ny olona rehetra)<ref><small>Amin'ny Vavolombelon'i Jehovah ny parosia dia tsy fisehoana fa fanatrehana ka efa manatrika izao i Jesosy Kristy na dia tsy hitan'ny maro aza.</small></ref>. Handrasana izany andro hiavian'ny mpamonjy sady tompoTompo izany ([[Epistily ho an'ny Filipiana|Filipiana]] 3.20).
 
=== Ny eskatolojia ao amin'ny Jodaisma ===
Ny faran'andro (na andro farany) dia voaresaka ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] sady atao amin'ny teny hebreo hoe אחרית הימים / ''A'harit HaYamim'' ("fiafaran'ny andro") ka ny dingana lehibe amin'izany dia ny atao hoe ימות המשיח / ''Yemot HaMashia'h'' ("ny Andron'ny Mesia"). Izany finoana izany dia hita ao amin'ny lohahevi-dehiben'i Maimonida, izay lazainy ho ny fototry ny maha isan'ny vahoakan jiosy (na jody) ny Jiosy (na Jody) tsirairay araka ny fivoasana nataony ao amin'ny ''Mishna Sinedriona'' izay nanehoana voalohany io petra-kevitra io.
 
Ny faran'andro, araka ny lovantsofina, dia mizara vanim-potoana maromaro:
 
* ny ''Hevlei HaMashia'h'' (חבלי משיח) sy ny ''Ikbata deMeshi'ha'' (na ''Ikvot HaMashia'h'' / עקבתא דמשיחא) (famantarana ny Mesia). Izany dia ny fotoan'ny fahoriana eran-tany mialoha ny hahatongavan'ny [[Mesia]], izay hisehoan'ny adin'i [[Goga sy Magoga]], izany hoe ny adin'i Israely amin'ny firenana jentilisa, araka ny faminanian'i [[Ezekiela]] sy [[Zakaria mpaminany|Zakaria]]. Io ady apokaliptika io dia fantatra koa amin'ny anarana hoe [[Hara-magedona]].
* ny Fiverenan'ny mpaminany [[Elia]], izay hitondra ny Mesia,
* ny fiantombohan'ny fotoana mesianika:
**''T'hiyat hamètim'' ("fitsangan'ny maty ho velona");
Andalana faha-40:
 
* ny fahafatesan'ny olona tsirairay sy ny fiainana aorian'ny fahafatesana: izany no atao hoe eskatolojia isam-batan'olona;
* ny fiafaran'ny fiaraha-moninfiarahamonin'ny olombelona na ny fiafaran'ny taranaka (fiafaran'izao tontolo izao): eskatolojian'ny taranak'olombelona;
* ny fiafaran'izao rehetra izao (zava-mitranga amin'ny androinandron'ny taranak'olombelona farany eto ambonin'ny tany): eskatolojian'izao rehetra izao na eskatolojia kosmika.
 
Hita ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] izany hevitra maron'ny andro farany izany. Ohatra ny ao amin'ny Filazantsaran'i Matio (Mat. 24.37-42) izay iresahan'i Jesosy ny hiverenany amim-boninahitra any amin'ny andro farany. Voaresaka ao koa ny fahafatesan'ny lehilahy sy vehivavy iray.
 
Voaresaka ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|Filazantsaran'i Lioka]] koa ny amin'ny hahatongavan'i Jesosy toy ny mpangalatra amin'ny andro farany (Lio. 12.39-40).
 
Ireo Kristiana tamin'ny taonjato voalohany dia nihevitra fa hitranga fahavelon'izy ireo ny fiafaran'izao tontolo izao. Ampitahain'i Jesosy amin'ny fahararian'ny vehivavy efa hiteraka ny fiafaran'izao tontolo izao, izay midika fa efa bevohokan'ny fandravana azy izao tontolo, nefa Andriamanitra irery ihany no mahalala ny hisehoan'izany (Marka 13.8). Rehefa nenjehin'ny Romana ny Kristiana tao Tesalonika dia nino fa tonga ny andro farany. Nefa ny tsy fahafantarana ny tena marina dia nitohy hatramin'ny taona 90 taor. J.K. ka nanambara i Jostino Maritira fa nahemotr'Andriamanitra ny fiafaran'izao tontolo izao mba hahatonga ny Fivavahana kristiana hahenika an'izao tontolo izao. Tamin'ireo taona 250 dia nanoratra i Kipriano avy any Kartago fa ny fahotan'ny Kristiana tamin'izany andro izany dia famantaranafambara mialoha lalana ny fahantomotry ny [[andro farany]].
 
Araka ny tantara dia tsy nitovy hevitra ireo [[Teolojia|teolojiana]] ny amin'ny fisian'ny [[Arivo taona (kristianisma)|fanjakana arivo taonan'ny Kristy]] eto an-tany mandritra ireo andro farany<ref><small>Guillaume Bourin, «http://leboncombat.fr/comprendre-lapocalypse-oui-mais-comment/<nowiki/>» [<nowiki/>[[tahiry]]], sur ''www.leboncombat.fr'', 15/05/2014 (notsidihina 6/09/2014)</small></ref>.
 
Tamin'ny taonjato faha-3 anefa dia nino ny ankamaroan'ny Kristiana fa ny andro farany dia hitranga aorian'ny taranaka misy azy ireo; nihevitra izy ireo fa tsy neken'i Jesosy ireo [[fanandroana]] hamantatra ny ho avy, hamantarana "ireo fotoana sy fizaran-taona", ary izany fanao izany dia norarana na dia nisy daty voafaritra mazava fa hitrangan'ny andro farany araka ny lovantsofina jiosy araka ireo fetrandro enin'izao tontolo izao. Ireo izay nampiasa izany fanisana izany dia nahita fa amin'ny taona 202 ny andro farany. Nefa rehefa lasa io fotoana io dia novana ho amin'ny taona 500.

Taorian'ny taona 500 dia noheverina fa tsy zava-dehibe ho an'ny finoana kristiana ny andro farany, na dia misy ireo izay mbola manamafy izany amin'ny fotoan'ny [[Advento]].
 
== Eskatolojian'ny finoana Baha'i ==
Ao amin'ny [[finoana baha'i]] dia tsy fonombohana na fiafarana ny [[Famoronana]]. Fanoharana ihany ireo eskatolojia hita ao amin'ny fivavahana hafa. Ny andron'ny olombelona dia voamariky ny fifanarakarahana fanambarànafifanarakaraham-panambaràna miandalana izay ahitana mpitondra hafatra avy amin'Andriamanitra.
 
Ny fotoana iavian'ny mpitondra hafatra na iraka tsirairay dia heverina ho ny andro fitsarana ho an'ny mpinon'ny fivavahana teo aloha, izay mety misafidy ny hanaiky ny mpitondra hafatra vaovao sady hiditra ao amin'ny ''lanitry ny finoana'', na handà ny iraka vaovao ka hiditra ao amin'ny ''helon'ny fandavana''.
 
Ny fotoana iavian'ny mpitondra hafatra na iraka tsirairay dia heverina ho ny andro fitsarana ho an'ny mpinon'ny fivavahana teo aloha, izay mety misafidy ny hanaiky ny mpitondra hafatra vaovao sady hiditra ao amin'ny lanitry ny finoana, na handà ny iraka vaovao ka hiditra ao amin'ny helon'ny fandavana. Ny teny hoe "lanitra" sy "helo" dia manana heviny am-panoharana ilazana ny fandrosoana ara-panahin'ny olona sy fanakaikezanyfanakekezany na ny fanalavirany an'Andriamanitra. Ny fiavian'i Baha'u'llah mpitondra ny finoana baha'i dia manambara ny fahatanterahan'ny fiandrasana eskatolojikan'ny [[finoana silamo]] sy [[Kristianisma|kristiana]] ary ireo fivavahana lehibe hafa teo aloha.
 
== Jereo koa: ==