Prôtestantisma eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-54:
Lasa zanatanin'i Frantsa i [[Madagasikara]] tamin'ny taona 1897 nefa tsy nanohana ny misiona katolika i Galliéni na dia tsy nanavakavaka fivavahana.
 
Tsy nahomby nihoatra ny Protestanta ny Katolika noho ny antony maro: tsy fahafahan'ny Malagasy katolika mamaky Baiboly<ref><small>Tsy tena nilaina ny hamakiana izany satria tsy neken'ny Papa ho vakina; tsy mbola voadika amin'ny teny malagasy rahateo ny Baiboly katolika; ny toriteny na ny vakiteny dia nataon'ny misionera katolika ho tsara kokoa raha atao amin'ny teny latina na dia tsy tafita amin'ny Malagasy aza izany.</small></ref>. Sahirana ny Protestanta tamin'ny fotoana nanombohan'ny fanjanahan-tany noho ny nataon'ireo Zezoita (frantsay: ''Jésuites'') izay nampifangaro ny raharaha politika sy ny raharaham-pivavahana ka nanao ny Protestanta ho sakaizan'ny Anglisy sy ho fahavalon'ny Frantsay. Nandefa iraka ny misiona protestanta avy any Parisy, dia ny ''Mission Protestante Française'' (MPF) na ''Société des Missions Evangéliques de Paris'' (SMEP) tamin'ny taona 1897 noho ny fitadiavana fanampiana nataon’ny LMS. Ny misoneran'ny MPF tonga tamin’izay dia i Lauga sy i Kruger ary i Benjamin Escandre<ref><small>J. Rabemanahaka, J. Rennes, G. Razafindrakoto, "Calvin - ny Andro moderna", ao amin'ny ''Tantaran'ny Fiangonana'', 1964, p.69</small></ref>.
 
Maro ireo mpino protestanta niala amin’ny fiangonany noho ny tahotra. Betsaka koa ny trano fiangonana protestanta nalain’ny misionera katolika ho azy na narodana. Naverina tamin’ny Protestanta ihany izy ireo taty aoriana afa-tsy ny fiangonana tao amin'ny faritr'Ambatomanga<ref><small>J. Rabemanahaka, J. Rennes, G. Razafindrakoto, "Calvin - ny Andro moderna", ao amin'ny ''Tantaran'ny Fiangonana'', 1964,</small> <small>p.70.</small></ref>.