Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny kristianisma sy ny Baiboly eto Madagasikara.
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 23 Janoary 2019 à 08:26

Ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy dia dikan-tenin'ny Baiboly amin'ny teny malagasy ampiasain'ny fiangonana protestanta miteny malagasy amin'ny fotoam-pivavahana. Ny edisiona tamin'ny taona 1909 izay nasiam-panitsiana madinika tamin'ny taona 1965 no ampiasaina amin'izao. Io Baiboly io no ampiasain'ireo Fiangonana protestanta toy ny Fiangonan'i Jesoa Krisy eto Madagasikara, ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Eklesia Episkopaly Malagasy sns. sy ireo Fiangonana avanjelika sy pentekotista maro manerana an'i Madagasikara. Ny Baiboly protestanta no nampiasain'ny Vavolombelon'i Jehovah eto Madagasikara talohan'ny namoahany ny dikan-teniny manokana. Ny tantaran'ny Baiboly protestanta malagasy dia ampahany lehibe amin'ny tantaran'ny Baiboly eto Madagasikara.

Tantara'ny Baiboly protestanta malagasy

Ny Baiboly protestanta no azo lazaina hoe zokiny tamin'ny dikan-tenin'ny Baiboly amin'ny fiteny malagasy. I David Jones (tonga tao Antananarivo tamin'ny 04 Oktobra 1820) sy i David Griffiths (tonga tao Antananarivo tamin'ny 15 Mey 1821), izay samy avy amin'ny London Missionary Society (LMS) no nanomboka nandika ny Baiboly tamin'ny teny malagasy. Nisy Malagasy nanampy azy ireo tamin'ny fandikan-teny. Tamin'ny 01 Janoary 1827 dia vita dika ny toko voalohany amin'ny Filazantsaran'i Lioka. Tamin'ny taona 1830 no vita tanteraka ny Testamenta Vaovao ary tamin'ny taona 1835 dia vita dika manontolo ny Baiboly. Vitan'i Baker sy Kitching fanontana printy ny Baiboly protestanta voalohany tamin'ny 21 Jona 1835.

Voarara ny fananana Baiboly sy ny fivavahana kristiana sady noroahina hody ny misionera tamin'ny andron'ny mpanjakavavy Ranavalona I (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1828 sy 1861). Tamin'ny fitondran-dRadama II (nanjaka tao anelanelan’ny taona 1861 sy 1863) sy Rasoherina (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1863 sy 1868) dia niverina nalalaka indray ny fivavahana kristiana sy famakiana Baiboly. Namoaka didy famerenana ny fahalalahan'ny fivavahana kristiana tanteraka ny mpanjakavavy Ranavalona II (nanjaka teo anelanelan'ny taona 1883 sy 1896), izay nandimby an-dRasoherina, ka nalalaka ny fananana sy ny famakiana ny Baiboly.

Ny fiangonana mampiasa Baiboly protestanta

Ny protestantisma dia tonga teto Madagasikara tamin'ny vanim-potoana faha mpanjaka. Misy fiangonana maro ka ny roa voalohany tonga teto Madagasikara dia ny loteranisma sy ny kalvinisma (na presbiterianisma) izay nipoiran’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Tsy ireo ihany no fiangonana protestanta fa ao koa ny Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara (METM), ny Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky (FMTA), ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara (FPVM), ny Eklesia Episkopaly Malagasy (Anglikana) (EEM), ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito, ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara, ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra, ny Assemblée de Dieu sy ny fiangonana pentekotista sy evanjelika (na ara-Pilazantsara) maro samihafa miparitaka eto Madagasikara.

Jereo koa:

Rohy ivelany