Prôtestantisma eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-16:
==== Faha Ranavalona I ====
[[Sary:Ranavalona I.jpg|vignette|278x278px|Ranavalona I]]
Nampitsahatra ny fifandraisana amin'ny avy any ivelany sy nanenjika ny Kristiana ny mpanjaka [[Ranavalona I]] (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1828 sy 1861), izay nandimby an-dRadama I. Nanjaka ny habibiana sy ny finoanoam-poana ary ny fankahalana vahiny. Ny LMS dia afaka nandika ny [[Baiboly amin'ny teny malagasy|Baiboly tamin'ny teny malagasy]] tamin'ny 01 Janoary 1827 ka ny toko voalohany amin'ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|Filazantsaran'i Lioka]] no vita voalohany. Efa ao anatin'ny fisedrana ny fiangonana teto Madagasikara tamin'izany fotoana izany. Vita dika ny [[Testamenta Vaovao]] tamin'ny taona 1830. Vita dika manontolo ny Baiboly tamin'ny taona 1835. Vitan'i Baker sy Kitching fanontana printy ny Baiboly malagasy tamin'ny 21 Jona 1835.
 
Tamin'ny taona 1835 dia nambaran'ny mpanjaka [[Ranavalona I]] ny tsy fanekeny ny fisian’ny fivavahana kristiana. Maro anefa ireo Malagasy mbola niaina tamin'ny maha kristiana azy ka niharan'ny fampijaliana sy famonoana ho faty. Voarara ny fananana Baiboly sy ny fanaovana [[batisa]] ary noroahina hody ny misionera.
Andalana faha-67:
Niorina ny tobim-pifohazam-panahy tamin’ny taona 1927 tao Manolotrony notarihin-dRavelonjanahary. Efa nahatsangana ny sinodany ny fiangonana anglikana tamin’ny taona 1937. Niorina ny tobim-pifohazam-panahy tamin’ny taona 1942 tao Ankaramalaza notarihin'i Volahavana Germaine (na Nenilava). Nankahery ara-panahy ny mpino protestanta ny fiorenan'ny tobim-pifohazan'i Farihinena tamin'ny taona 1946 notarihin-dRakotozandry Daniel.
 
==== Fotoan'ny fiampaganaFiampagana tamin'ny raharaha 1947 ====
Maro ny Protestanta nampangaina ho niray tetika tamin'ny mpanohitra ny fanjakana frantsay. Maro toraka izany koa ny trano fiangonana protestanta norava'ny Farantsay. Nanampy ny fiangonana protestanta malagasy ny Protestanta tany Frantsa tamin'ny nandefasany an'i Marc Boegner sy i André Roux ary i Charles Bonzon izay samy mpitandrina<ref name=":2" />. Tetsy an-daniny koa dia niampanga ny Kristiana ho mpiray tsikombakomba tamin'ny Vazaha ny fikambanana mpanafaka tanindrazana ''Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache'' (MDRM) ka lasa "fahavalon'ny fiangonana" noho ny fanimbany sy ny fandrobany ny trano fiangonana tamin'ny faritra sasany teto Madagasikara. 
 
==== Fotoana nanombohanFanombohan'ny fampitambarana ny fiangonana ====
Tamin'ny taona 1950 dia niforona ny komitin'ny firaisana niarahan'ny Malagasy sy ireo misiona britanika (ny LMS sy ny FFMA ary ny MPF)<ref name=":0" />. Tamin'io taona io ihany dia nitambatra ny fiangonana nentin'ireo misionera norveziana (ny ''Norwegian Missionary Society'') sy amerikana (ny ''American Lutheran Church'' sy ny ''Lutherian Board of Mission'') ka nitondra ny anarana hoe [[Fiangonana Loterana Malagasy]] (FLM) ka efa nanana sinodam-paritany enina.