Andro Taloha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny hoe [[Andro Taloha]] dia ilazana vanim-potoan'ny Tantara izay nialoha ny [[Andro Antenantenany]]Antenatenany na ny [[Andro Vaovao]]. Miovaova ny fivelaran'io vanim-potoana io arakaraka ny sivilizasiona heverina. Amin'ny tantara eoropeana dia fotoana mifanandrify amin'ny sivilizasionan'ny soratra nanodidina ny [[Ranomasina Mediteranea]] ny Andro Taloha ka ny ankamaroan'ny mpahay tantara dia mametraka ny fiantombohany eo amin'ny taonarivo faha-4 tal. J.K. (anelanelan'ny taona 3500 tal. J.K. sy 3000 tal. J.K.) miaraka tamin'ny famoronana ny soratra tany [[Mesopotamia]] sy tany Egipta ary ny fiafarany dia heverin'ny mpahay tantara ho manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. (anelanelan'ny taona 300 sy 600).
 
Ho an'ireo tsy mihevitra afa-tsy ny sivilizasiona eoropeana dia ny vanim-potoan'ny sivilizasiona grika sy romana ihany no Andro Taloha ([[Andro Taloha grika-romana]]) izay nanomboka tamin'ny taona 2000 tal. J.K. ka niafara tamin'ny faharavan'ny Empira romana any Andrefana tamin'ny taona 476.