Gideôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I '''Gideona''' na '''Gidehôna''' dia isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe tao amin'ny Israely (Mpits. 6-8). ''Giḏʻôn'' no fanononana io anarana io amin'ny teny hebreo. Atao hoe ''Yĕrubba`al'' koa izy. Ity nanarana ity dia soratana hoe ''Jerobaala'' ao amin'ny Baiboly malagasy. Zanak'i Soara avy any Ofra izy. I [[Debora]] no mpitsara nodimbasiny ary i [[Abimeleka]] zanany no nandimby azy.
 
I Gideona no mpitarika ny [[fokon'i Manase]], ary nitarika ny ady tamin'ny Midianita izay mpandroba avy any atsimo sy atsinanana nampiasa rameva. Voatosiny izy ireo nandritra ny ady voalohany tany ivelan'ny tanin'i Isiraely, tao Eina-Haroda. Novonoin'ny [[Fokon'i Efraima|Efraimita]] izay nanakana ny fiampitana an'i [[Jordana (ony)|Jordana]] i Orebita sy i Zeba, mpitarika ny tafiny. Taorian'ny fanafihana nataon'ny Midianita teo akaikin'ny Tendrombohitr'i Tabora dia nanenjika azy ireo i Gideona tany atsinanan'ny reniranon'i [[Jordana (ony)|Jordana]] ary namono ny mpitarika azy dia i Zebaha sy i Salmona. Nandritra ity ady faharoa ity no nandresen'i Gideona ny mpanohitra an'i Penoela sy i Sokota tao amin'ny lohasahan'i Jordana. Nisy ireo namporisika azy ho mpanjaka, taorian'ireo fahombiazana ara-tafika ireo, nefa nandà izany izy.
 
== Jereo koa: ==