Fokon' i Jodà: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:12_Tribes_of_Israel_Map.svg|lien=https://mg.wikipedia.org/wiki/Sary:12_Tribes_of_Israel_Map.svg|vignette|483x483px|Sarintanin'ny foko 12n'i Israely]]
Ny [[fokon'i Jodà]] dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely.
Ny [[fokon'i Jodà]] dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely. Ao amin'ny [[Bokin'i Josoa]] (Jos. 15) no iresahana ny anjara tany azon'ny fokon'i Joda tao [[Kanaana (faritra)|Kanaana]]. Tsy hita ao amin'ny ''Hiran'i Debora'' ny fokon'i Jodà<ref><small>Ny tantaran'i Debora dia hita ao amin'ny toko faha-4 sy faha-5n'ny [[Bokin'ny Mpitsara]]. Ny toko faha-4 dia fitantarana amin'ny lahateny tsotra fa ny toko faha-5 kosa dia amin'ny endrika tonon-kalo - izay atao hoe "Hiran'i Debora" na "Antsan'i Debora".</small></ref>. Nanana ny toerany manokana ny fokon'i Joda amin'ny maha foko voalohany ao amin'ny [[Fanjakan'i Jodà]] azy, ary avy ao aminy no voalaza fa nivoahan'ireo mpanjakan'i Jodà (afa-tsy ireo mpanjaka telo farany tao [[Jodea]] (na Jodia), dia ireo Hasmoneana izay [[Levita]]). Araka ny [[Baiboly]] dia efa voalazan'ny faminaniana ao amin'ny ''Tsodranon'i Jakoba'', izay nanambara fa tsy tokony hiala avy ao amin'i Jodà ny tehina ary ny tehim-panjakana tsy hivoaka avy eo anelanelan'ny tongony.
 
== I Jodà na Joda ==
I [[Joda (zanak'i Jakoba)|Joda]] (hebreo: יְהוּדָה‎ <small>/</small> ''Yehuda'') dia zanaka fahefatr'i [[Jakoba]] tamin'i [[Lea (vadin'i Jakoba)|Lea]] izy. Izy ilay nandresy lahatra ireo rahalahiny hivarotra an'i [[Josefa (zanak'i Jakoba)|Josefa]] tamin'ireo Ismaelita mpividy olona fa tsy hamono azy (Gen. 36.26-27); izy no niantoka ny hampodiana an'i [[Benjamina]] faralahy eo amin-drainy mba hahafahana mitondra azy any Egipta araka ny sitrapon'ilay manam-pahefana egiptiana (dia i Josefa ihany). I Joda no nahazo ny tsodranon'i [[Jakoba (patriarka hebreo)|Jakoba]] ho lehiben'ireo zokiny izay tsy nanaja an-drain'izy ireo. Ireto avy ny zanak'i Jodà: Era, Onana, Sela, Pereza ary Zera (Genesisy 46.12).
 
== Ny anjara tanin'ny fokon'i Jodà ==
Ny [[fokon'i Jodà]] dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely. Ao amin'ny [[Bokin'i Josoa]] (Jos. 15) no iresahana ny anjara tany azon'ny fokon'i Joda tao [[Kanaana (faritra)|Kanaana]]. Tsy hita ao amin'ny ''Hiran'i Debora'' ny fokon'i Jodà<ref><small>Ny tantaran'i Debora dia hita ao amin'ny toko faha-4 sy faha-5n'ny [[Bokin'ny Mpitsara]]. Ny toko faha-4 dia fitantarana amin'ny lahateny tsotra fa ny toko faha-5 kosa dia amin'ny endrika tonon-kalo - izay atao hoe "Hiran'i Debora" na "Antsan'i Debora".</small></ref>. Nanana ny toerany manokana ny fokon'i Joda amin'ny maha foko voalohany ao amin'ny [[Fanjakan'i Jodà]] azy, ary avy ao aminy no voalaza fa nivoahan'ireo mpanjakan'i Jodà (afa-tsy ireo mpanjaka telo farany tao [[Jodea]] (na Jodia), dia ireo Hasmoneana izay [[Levita]]). Araka ny [[Baiboly]] dia efa voalazan'ny faminaniana ao amin'ny ''Tsodranon'i Jakoba'', izay nanambara fa tsy tokony hiala avy ao amin'i Jodà ny tehina ary ny tehim-panjakana tsy hivoaka avy eo anelanelan'ny tongony.
 
== Olona isan'ny fokon'i Jodà ==
Isan'ny fokon'i Jodà i [[Davida (Baiboly)|Davida]] sy ireo nitaranaka azy, dia i Boaza sy i Obeda ary i Jese. Araka ny finoana jiosy dia isan'ny fokon'i Joda ny [[Mesia]]<nowiki/>satria nampanantena ny fitohizan'ny fanapahan'i Joda ny Fanjakana ilay tsodrano. Maro ireo olona manana ny maha izy azy izay isan'ny fokon'i Jodà, ka isan'izany i [[Isaia (mpaminany)|Isaia]], i [[Habakoka]], i [[Joela]] (na [[Jôely]]), i [[Mika (mpaminany)|Mika]] (na [[Mikea (mpaminany)|Mikea]]), i [[Obadia]] (na [[Abdiasa]]), i [[Zakaria mpaminany|Zakaria]] ary i [[Zefania (mpaminany)|Zefania]] (na [[Sôfônia]]).
 
Taty aoriana, nandritra ny f[[fahababoana tany Babilona]], dia isan'ny fokon'i Jodà ireo mpitarika voatendrin'ny mpanjaka babilobiana hitondra ny vahoaka jiosy, torak'izany koa rehefa tapitra ny fahababoana ka isan'izany i Zorobabela (lehiben'ireo Jiosy nody tany [[Jodea]] voalohany), i Seltiela ary i [[Nehemia]] (izay isan'ireo governoran'i Jodea notendren'ny Akemenida). Tamin'ny andron'ny Romana dia voalaza ho isan'ny fokon'i Jodà ireo andriandahy (hebreo: ''Nasi'') taorian'i Semaia, satria izy rehetra ireo dia taranak'i Hilela izay voalaza fa nateraky ny vehivavy taranak'i Davida.
 
== Jereo koa: ==