Fokon' i Levy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-6:
Nizara ho fianakaviana telo ny taranak'i Levy tamin'ny andron'ny fahandevozana tao Ejipta, dia ny fianakavian’i Gersona sy ny an'i Kehaty (na Kohaty) ary ny an'i Merary. Roa taona taorian'ny fivoahan'ny [[Zanak'i Israely]] avy any Ejipta dia tsy fantatra ny isan'ny lehilahy roapolo taona no ho miakara ao amin'ny fokon'i Levy, satria tsy hita ao amin'ny fanisana izy ireo.
 
== Fonenan'ny Levitafokon'i Levy ==
Tsy nanana anjara tany ho azy manokana ny Levita rehefa natao ny fizarana ny tany voababo, dia ny [[Kanaana (faritra)|tany Kanana]], fa niparitaka tamin’ny tanana miisa 48 miaraka amin’ireo foko sisa ao amin’ny [[Zanak'i Israely|Zanak’i Israely]]. Satria izy ireo tsy nanao asa afa-tsy ny raharaha momba ny fanompoana an'Andriamanitra sy ny fitantana-draharaha ao an-[[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ary ny fampianarana ny Lalàna, dia nanome ny ampahafolon-karenany azy ny sisa amin'ny Israelita mba hivelomany sy hanamboarana na hanarenana ny Tempoly. Nisy koa ireo Levita nisahana ny fitendrena sy ny fitsofana zavamaneno ao amin'ny Tempoly.
 
== Ny Levita ==
[[Sary:Kohanim_hands_blessing_photo.jpg|lien=https://mg.wikipedia.org/wiki/Sary:Kohanim_hands_blessing_photo.jpg|vignette|156x156px|Felantanana kohena eo am-pitsofandrano]]
[[Levita]] no fiantsoana ireo taranak'i Levy izay misahana ny asa ao an-tempoly. Ny zanaka lahin'i [[Aarona]] rahalahin'i Mosesy, izay ata hoe Kohena (hebreo: ''Kohen'' raha tokana; na ''Kohanim'' raha maro) dia miavaka noho izy ireo nisahana ny fanolorana ny fanatitra (biby na zava-manitra) ao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]]. Isan'izy ireo i [[Samoela]] sy i [[Ezekiela]] ary i [[Malakia]]. I [[Joany mpanao batisa|Joany]] (na [[Jaona mpanao batisa|Jaona]]) mpanao batisa koa dia voalaza fa isan'ny taranak'i Levy.