Zedekia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-6:
== Ny loza nahazo an'i Zedekia ==
[[Sary:102.Zedekiah's Sons Are Slaughtered before His Eyes.jpg|vignette|250x250px|''Novonoina teo imason'i Zedekia ireo zanany'', nataon'i Gustave Doré, taona 1866.]]
Natoky ny fanampian'i Egipta i Zedekia ka nikomy tamin'ny mpanjakan'i Babilona (i [[Nebokadnetsara II|Nebokadnetsara]]). Nitondra tafika ka nanao fahirano an'i Jerosalema ny Babiloniana nandritra ny roa taona ka naharodana ny tanàna tamin'ny taona 587 tal .J.K. Voasambotra i Zedekia (2Mpaj. 25.6, Jer. 52.9) ary novonoina teo imasony ireo zanany lahy (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.10) alohan'ny nanapotsirana ny masony (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.11).
 
Tsy novonoina ireo zanany vavy fa nampitondraina ilay governora jodita notendren'i Nebokadnetsara atao hoe Gedalia (Jer. 41.10) nefa novonoin'i Ismaela izay isan'ny fianakavian'ny mpanjaka i Gedalia (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.1) tao Mizpa (na Mitspa) (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.2) sady nosamboriny ireo zanaka vavin'i Zedekia ka nentiny tany amin'ny tanin'ny Amona (Jer. 41.10). Nanenjika an'i Ismaela i Johanana ka nahatratra azy tao Gibeona (Jer. 41.12) sady nanafaka ny zanaka vavin'i Zedekia, dia nitondra azy ireo tao amin'ny toeram-piafenana tao akaikin'i Betela (Jer. 41.17) avy eo nitondra azy ireo ho any amin'ireo Jiosy monina any Egipta (Jer. 43.7).