Bokin' i Jodita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-5:
 
== Famintinana ==
Nandresy an'ireo Mediana i [[Nabokôdônôzôra II|Nabokôdônôzôra]] (na [[Nebokadnetsara II|Nebokadnetsara]]) mpanjakan'i Asiria ka nandefa ny jeneraly Hôlôferna tamin'ny faha-12 taonan'ny nanjakany mba hanafika haka ireo tany any andrefana. Nampitondrain'i Nebokadnetsara tafika lehibe i Hôlôferna ka nandresy hatranihatrany sady nandrava ireo toera-masina isan-tanàna no nanao izay tsy maintsy hanomezam-boninahitra an'i NebokadnetsaraNabokôdônôzôra sahala amin'ny andriamanitra. Tamin'ny farany dia tonga teo akaikin'ny vavahadin'i Israely ny tafika asiriana ka nanao fahirano ny tanàna atao hoe Betolia eo ampita, na dia efa nampitandrina azy ireo aza ny lehiben'ny Amonita atao hoe Akiora ny amin'ny hampandresen'Andriamanitra ny Israely raha tsy manota. Nefa rehefa lany vatsy ireo Betoliana dia kivy ka notenitenenin'i Jodita, taranak'i Simeôna, izay nanome tsiny azy amin'ny hakelin'ny finoan'izy ireo. Tapa-kevitra ny ho any amin'ny tobin'i Holoferna miaraka amin'ny mpanompo vavy iray i Jodita mba hamitaka azy amin'ny fanomezany azy vaovao tsy marina momba ny Jiosy. Rehefa nahita ny hatsaran-tarehin'i Jodita i Holoferna dia nanaiky hihaino azy sady nanasa azy amin'ny lanonam-pisakafoanana sy nitondra azy tany amin'ny trano lainy ka tao i Jodita no nanapaka ny lohany. Niverina tany Betolia izy nitondra ny lohan'i Holoferna ka gaga ny vahoaka avy eo tapa-kevitra ny hanafika sady nampadositra ny Asiriana izay tonga nalemy noho ny fahafatesan'ny mpitarika azy.
 
== Fizaràn'ny boky ==
Andalana faha-13:
 
==== Ny fanafihan'ny Asiriana ireo firenena any andrefana (1.1–3.9) ====
I Nebokadnetsara[[Nabokôdônôzôra]] sy i Arpaksada (1.1–1.12)
 
Ny fanafihan'ny Asiriana an'i Arpaksada (1.13–1.16)