Amôna (mpanjakan' i Jodà): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Olona ao amin'ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I [[Amona (mpanjakan'i Jodà)|Amona]] dia mpanjakan'i Jodà nandimby an'i [[Manase]] rainy. Ny tena ahatsiarovana an'i Amona dia ny fitiavany [[Fanompoan-tsampy|manompo sampy]] izay nahatoga fikomiana nitarika amin'ny famonoana azy tamin'ny taona 641 tal. J.K. Ao amun'ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] sy ny [[Boky faharoan'ny Tantara]] ao amin'ny [[Baiboly]] no ahitana ny tantarany
 
== Ny anarany ==
Andalana faha-5:
 
== Ny fiainany ==
Zanaky ny mpanjaka [[Manase]] sy i Mesolemeta zanaka vavin'i Haroza avy any Jotba i Amona<ref><small>Flavius Josephus (c. 93 CE). ''[http://www.ccel.org/j/josephus/works/ant-10.htm Antiquities of the Jews]''. Book X, Chapter 3, Section 2. Translated from the Latin by William Whiston from The Christian Classics Ethereal Library.</small></ref>. Na dia tsy fantatra aza ny daty dia milaza ny [[Baiboly]] fa nanambady an'i Jedida zanakavavin'i Adaia avy any Bozkata i Amona. Tamin'ny faha-22 taonany izy no nanomboka nanjaka nandritra ny enina taona (2Mpanj. 21.18-26). Tokony ho teo anelanelan'ny taona 642 sy 640 tal J.K. no nanjakany<ref><small>Edwin R. Thiele (1983). "9". ''[[:en:The_Mysterious_Numbers_of_the_Hebrew_Kings|The Mysterious Numbers of the Hebrew Kings]]'' (3rd ed.). Grand Rapids, Michigan: Kregel Publications. <nowiki>ISBN 0-8254-3825-X</nowiki>.</small></ref>.
 
Araka ny Baiboly dia nanohy ny fanompoan-tsampin'i Manase rainy i Amona ka nanangana sarin-tsampy sahala an-drainy<ref><small>Charles J. Mendelsohn; Kaufmann Kohler; Morris Jastrow (1906). [http://jewishencyclopedia.com/articles/1420-amon-king-of-judah "Amon, King of Judah"]. ''Jewish Encyclopedia''. '''I''' (1st ed.). Funk & Wagnalls. pp. 526–527.</small></ref>. Ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] dia milaza fatoy ……izao: "20 ''Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy tahaka ny nataon'i Manase rainy''. 21 ''Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany''." (2Mpanj. 21.1820-2621). Toraka izany koa ny [[Boky faharoan'ny Tantara]]: …."''Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon'i Manase rainy dia namonoan'i Amona zavatra hatao fanatitra ka notompoiny''" (8) (2Tant. 33.22). Ny lovantsofina talmodika dia milaza fa "nandoro ny [[Torah]] i Amona ary namela tranon-kala hadrakotra ny alitara [noho ny tsy firaharahany azy tanteraka] … Be fahotana i Amona"<ref>''Tractate Sanhedrin'', Folio 103a. 1902 Translation by Rabbi Isisdore Epstein.</ref>. Sahala amin'ireo loharano hafa dia mitsikera ny fitondran'i Amona sahala amin'ny ataon'ny Baiboly i Flavio Josefa<ref><small>Christopher Begg (1996). [https://www.ibr-bbr.org/files/bbr/BBR_1996_01_Begg_JothamInJosephus.pdf "Jotham and Amon: Two Minor Kings of Judah According to Josephus"] (PDF). ''Bulletin for Biblical Research''. Institute for Biblical Research. '''6''' (1): 13.</small></ref>.
 
Taorian'ny nanjakany roa taona dia matin'ny mpanompony izay nioko hamono azy i Amona, ka nasolo azy ny zanany lahy atao hoe [[Josia (mpanjakan'i Jodà)|Josia]] (na Josiasa) izay vao valo taona monja (2Mpanj. 22.1). Taorian'ny nahafatesan'i Amona dia lasa tsy tiam-bahoaka ireo namono azy ka novonoin'ny olona koa<ref><small>Henry Fowler (1920). [https://books.google.mg/books?id=4vk0AAAAMAAJ&printsec=frontcover&redir_esc=y#v=onepage&q&f=false ''Great Leaders of Hebrew History: From Manasseh to John the Baptist''.] The Macmillan Company. p. 11.</small></ref>. Ny manampahaizana sasany toa an'i Abraham Malamat dia milaza fa novonoin'ny olona i Amona noho izy manaiky izay lazain'ny Asiriana fahavalon'i Jodà efa anjato taonany maro sady tompon'andraikitra tamin'ny faharavan'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]] avaratra<ref><small>Nili S. Fox; Malamat (2002). "History of Biblical Israel: Major Problems and Minor Issues". ''Bulletin of the American Schools of Oriental Research''. American Schools of Oriental Research. '''II''' (327): 90–92. doi:10.2307/1357868. ISSN 0003-097X. JSTOR 1357868.</small></ref>.