Jôiakina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba olona resahina ao amin'ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I [[Joiakina]] na [[Joiakina|Joasina]] izay atao hoe [[Joiakina|Jekonia]] na [[Joiakina|Jekoniasa]] dia mpoanjakanmpanjakan'i Jodà nandimby ny mpanjaka [[Joiakima]] rainy. Tsy naharitra ny fitondrany izay nanomboka tamin'ny Desambra 598 tal. J.K. ka nifarana tamin'ny Marsa 597 tal. J.K. izy. Natao [[Fahababoana tany Babilona|sesitany tany Babilona]] izy tamin'ny nandresen'i Nebokadnetsara II ny tafik'i Jodà. I [[Zedekia]] (na Sedekiasa) no nandimby azy sady mpanjaka faran'i Jodà.
 
== Ny anarany ==
Roa ny anarana azo iantsoana an'i Joiakina amin'ny teny hebreo (ao amin'ny [[Tanakh]]) dia ny hoe יהויכין / ''Yehoyakhin'' sy ny hoe יכניהו / ''Yekhonyahu''. Ireo no adikan'ny [[Volgata]] hoe ''Ioachin'' sy ''Iechonias''. Ny Baiboly proitestanta malagasy dia manotratra hoe ''Joiakina'' sy ''Jekonia'' fa ny Baiboly katolika malagasy kosa dia manao hoe ''Joasina'' sy ''Jekoniasa''.
 
== Fiainana sy fanjakàny ==
Tamin'ny taona 598 tal. J.K. tamin'ny nandrosoan'i Nebokadnetsara II hanafika ny [[Fanjakan'i Jodà]] dia maty i [[Joiakima]] (na Joakima), angamba nisy namono, ka nandimby azy i Joiakina zanany tamin'ny faha-18 taonany. Telo volana sy folo andro fotsiny anefa no nanjakan'i Joakina (Desambra 598 - Marsa 597 tal. J.K.).
 
Naka an'i Negeva ny Edomita fa i Nebokadnetsara kosa naka an'i Jerosalema izay nikomy taminy (taona 597 tal. J.K.). Natao sesitany tany Babilona ny mpanjaka Joiakina sy ny olona maro ao amin'ny saranga ambony ary ireo mahay taozavatra tao Jerosalema ka niisa 3 000 izany araka ny [[Baiboly]]. Nobaboin'i Nebokadnetsara ny fananana tao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] sy ny tao amin'ny lapan'ny mpanjaka ka i Matania na Mataniasa (hebreo: ''Mattanyahu''; grika: ''Mathanias'') zanak'i [[Josia (mpanjakan'i Jodà)|Josia,]] izay niova anarana hoe [[Zedekia]] (na Sedekiasa), no notendreny handimby an'i Joiakina.
 
Araka ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] (2Mpanj. 25.27-30) dia nafahan'i Amela-Mardoka, izay nandimby an'i Nebokadnetsara, i Joakina rehefa nigadra nandritra ny 37 taona, tamin'ny taona 562 tal. J.K.