Zedekia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-5:
 
== Ny loza nahazo an'i Zedekia ==
[[Sary:102.Zedekiah's Sons Are Slaughtered before His Eyes.jpg|vignette|250x250px|''Novonoina teo imason'i Zedekia ireo zanany'', nataon'i Gustave Doré, taona 1866.]]
Natoky ny fanampian'i Egipta i Zedekia ka nikomy tamin'ny mpanjakan'i Babilona (i Nebokadnetsara). Nitondra tafika ka nanao fahirano an'i Jerosalema ny Babiloniana nandritra ny roa taona ka naharodana ny tanàna tamin'ny taona 587 tal .J.K. Voasambotra i Zedekia (2Mpaj. 25.6, Jer. 52.9) ary novonoina teo imasony ireo zanany lahy (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.10) alohan'ny nanapotsirana ny masony (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.11).
 
Tsy novonoina ireo zanany vavy fa nampitondraina ilay governora atao hoe Gedalia (Jer. 41.10) nefa novonoin'i Ismaela (Yishmael) izay isan'ny fianakavian'ny mpanjaka i Gedalia (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.1) tao Mizpa (na Mitspa) (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.2) sady nosamboriny ireo zanaka vavin'i Zedekia ka nentiny tany amin'ny tanin'ny Amona (Jer. 41.10). Nanenjika an'i Ismaela i Johanana (Yohanan) ka nahatratra azy tao Gibeona (Jer. 41.12) sady nanafaka ny zanaka vavin'i Zedekia -, dia nitondra azy ireo tao amin'ny toeram-piafenana tao akaikin'i Betela (Jer. 41.17) avy eo nitondra azy ireo ho any amin'ireo Jiosy monina any Egipta (Jer. 43.7).
 
Nodorana ny [[Tempolin'i Jerosalema]] sy ny lapan'ny mpanjaka ary nobaboina ny fananana tao aminy sady narodana ny mandan'ny tanàna<ref name=":0" />. Natao sesitany tany Babilona i Zedekia niaraka amin'ny mponin'i Jerosalema izay tsy afa-nandositra. Maty am-ponja tany Babilona i Zedekia (Jer. 52,11).
 
== Loharano sy fanamarihana ==
<br />