Zedekia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba olona resahina ao amin'ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I [[Zedekia]] na [[Zedekia|Sedekiasa]] dia mpanjakan'i Jodà nanapaka teo anelanelan'ny taona 597 sy 587 tal J.K. Izy no mpanjaka farany tao amin'ny [[Fanjakan'i Jodà]]. Niara-belona taminy ny mpaminany [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]] sy [[Zakaria mpaminany|Zakaria]]. Tamin'ny androny no nandravàna an'i Jerosalema sy ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ary nanaovana [[Fahababoana tany Babilona|sesitany]] ny mponina tao Jodà. Zanaky ny mpanjaka [[Josia]] (na Josiasa) tamin'i Hamotala (zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna) i Zedekia sady zandrin'i Eliakima (ny mpanjaka [[Joiakima]] na Joakima) sy Joahaza (2Mpaj. 23.31; Jer. 24.17-18). Resahina ao amin'ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] sy ny [[Bokin'i Jeremia]] ny tantaran'ny fanjakan'i Zedekia.
 
== Ny anarany ==
I Matania (hebreo: ''Mattanyahou''; grika: ''Mathanias'')<ref name=":0"><small>''Histoire visuelle de la Bible'', National Geographic, Les Nouveaux Essentiels, octobre 2013, 512 <abbr>p.</abbr>(<nowiki>ISBN 9782822900331</nowiki>)</small></ref> no anarany talohan'ny naha mpanjaka azy. Ao amin'ny [[Tanakh]] (Baiboly jiosy amin'ny teny hebreo) dia atao hoe צִדְקִיָּהוּ / ''Şidhqiyyāhû'' izy. Ao amin'ny [[Septoaginta|Septoajinta]] (Baiboly jiosy amin'ny teny grika) kosa izy dia atao hoe ''ζεδεκιας'' / ''Zedekias'' fa ao amin'ny [[Volgata]] (Baiboly amin'ny teny latina) izy dia atao hoe ''Sedecias''.
I Matania (hebreo: ''Mattanyahou''; grika: ''Mathanias'') no anarany talohan'ny naha mpanjaka azy.
 
== Ny loza nahazo an'i Zedekia ==
Natoky ny fanampian'i Egipta i Zedekia ka nikomy tamin'ny mpanjakan'i Babilona (i Nebokadnetsara). Nitondra tafika ka nanao fahirano an'i Jerosalema ny Babiloniana nandritra ny roa taona ka naharodana ny tanàna tamin'ny taona 587 tal .J.K. Voasambotra i Zedekia (2Mpaj. 25.6, Jer. 52.9) ary novonoina teo imasony ireo zanany lahy (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.10) alohan'ny nanapotsirana ny masony (2Mpaj. 25.7; Jer. 52.11).
 
Tsy novonoina ireo zanany vavy fa nampitondraina ilay governora atao hoe Gedalia (Jer. 41.10) nefa novonoin'i Ismaela (Yishmael) izay isan'ny fianakavian'ny mpanjaka i Gedalia (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.1) tao Mizpa (na Mitspa) (2Mpaj. 25.25; Jer. 41.2) sady nosamboriny ireo zanaka vavin'i Zedekia ka nentiny tany amin'ny tanin'ny Amona (Jer. 41.10). Nanenjika an'i Ismaela i Johanana (Yohanan) ka nahatratra azy tao Gibeona (Jer. 41.12) sady nanafaka ny zanaka vavin'i Zedekia - dia nitondra azy ireo tao amin'ny toeram-piafenana tao akaikin'i Betela (Jer. 41.17) avy eo nitondra azy ireo ho any amin'ireo Jiosy monina any Egipta (Jer. 43.7).
 
Nodorana ny [[Tempolin'i Jerosalema]] sy ny lapan'ny mpanjaka ary nobaboina ny fananana tao aminy sady narodana ny mandan'ny tanàna<ref name=":0" />. Natao sesitany tany Babilona i Zedekia niaraka amin'ny mponin'i Jerosalema izay tsy afa-nandositra. Maty am-ponja tany Babilona i Zedekia (Jer. 52,11).
 
== Loharano sy fanamarihana ==
<br />