Fahababoana tany Babilôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
Ny [[fahababoana tany Babilona]] na [[Fahababoana tany Babilona|sesitany tany Babilona]] dia fotoana teo amin'ny tantaran'ny Jiosy izay nanaovana sesitany olona maro avy amin'ny [[Fanjakan'i Jodà]] rava ho any Babilona.
 
Taorian'ny ady nifanaovana tao Karkemisa tamin'ny taona 605 tal J.K., ny mpanjakan'i Babilona, dia i Nebokadnetsara, dia nanao fahirano an'i Jerosalema, ka nampandoa “hetra” ny mpanjaka Joiakima (1)<ref><small>Coogan, Michael (2009). ''A Brief Introduction to the Old Testament''. Oxford: Oxford University Press.</small></ref>. Nanda ny hanome haja an'i Nebokadnetsara i Joiakima tamin'ny faha-4 taona nitondran'i Nebokadnetsara, ka niteraka fahirano vaovao tamin’ny faha-7 taona nitondran'i Nebokadnetsara, izay nahafaty an'i Joiakima sy ny fanaovan-tsesitany ny mpanjaka Jekonia sy ny tandapany ary ny hafa koa. Ny mpandimby an'i Jekonia, dia i Zedekia, sy ny hafa koa dia nasesitany tamin'ny faha-18 taona nanjakan'i Nebokadnetsara; nisy koa ny fanaova-tsesitany taty aoriana tamin'ny faha-23 taona nitondran'i Nebokadnetsara. Ny daty sy ny isan'ny fanaovan-tsesitany ary ny isan'ny natao sesitany voalaza ao amin’ny Baiboly dia viovaova (2)<ref><small>Moore, Megan Bishop; Kelle, Brad E. (2011). ''[https://books.google.co.uk/books?id=Qjkz_8EMoaUC&pg=PA357&dq=babylonian+deportations+are+dated&hl=en&sa=X&ved=0CCcQ6AEwAWoVChMIrsTls8mHxgIVJlrbCh1e5ADA#v=onepage&q=babylonian%20deportations%20are%20dated&f=false Biblical History and Israel S Past: The Changing Study of the Bible and History]''. Wm. B. Eerdmans Publishing. pp. 357–58. <nowiki>ISBN 0802862608</nowiki>.</small> </ref>. Ireo sesitany ireo dia niseho voalohany tamin'ny taona 597 tal. J.K. ka narakarahin’ny hafa tamin’ny taona 587.586 tal. J.K. ary tamin'ny taona 582/581 tal. J.K. (3)<ref><small>Dunn, James G.; Rogerston, John William (2003). ''Eerdmans Commentary on the Bible''. Wm. B. Eerdmans Publishing. p. 545. <nowiki>ISBN 978-0-8028-3711-0</nowiki>.</small></ref>.
 
Taorian'ny fandavoan'mpanjakan'i Persia, dia i Kirosy Lehibe, an'i Babilona tamin'ny taona 539 tal. J.K. dia nahazo alalana hiverina any Jodà ireo Jiosy nasesitany (4)<ref><small>Jonathan Stökl, Caroline Waerzegger (2015). ''Exile and Return: The Babylonian Context''. Walter de Gruyter GmbH & Co. pp. 7–11, 30, 226.</small></ref> (5)<ref><small>''Encyclopaedia Judaica''. 3 (2nd ed.). p. 27.</small></ref>. Araka ny [[Bokin'i Ezra]] (na Bokin'i Esdrasa) dia nanomboka tokony ho tamin'ny taona 537 tal. J.K. ny fanamboarana indray ny [[Tempolin'i Jerosalema]]. Izany zava-nitranga rehetra izany dia heverina ho zava-dehibe eo amin'ny tantara sy ny kolontsaina jiosy sady nisy vokany lehibe tamin'ny fivoaran'ny fivavahana jiosy.
 
Misy fikarohana arkeolojika izay naneho fa tsy ny mponin'i Jodà rehetra tsy akory no nasesitany ary na dia noravana tanteraka aza i Jerosalema, nisy ampahany amin'i Jodà izay nonenan'olona nandritra ny fotoan'ny fahababoana (6)<ref><small>Stern, Ephraim (November–December 2000). "The Babylonian Gap". ''Biblical Archaeology Review''. 26 (6).</small></ref>. Ny fiverenana avy any am-pahababoana dia niandalana fa tsy indray mandeha, ary maro ireo olona nasesitany na ny taranany izay tsy niverina tany Jodà ka lasa razamben'ireo Jiosy irakiana.
 
== Ny fitantarana ao amin'ny Baiboly ==
Tamin'ny faran'ny taonjato faha-7 tal J.K. dia nifandray tamin'i Empira asiriana ny [[Fanjakan'i Jodà]]. Tamin'ireo folo taona farany amin'io taonjato io dia nazeran'i Babilona, izay faritany fehezin'ny Asiriana, i Asiria. Natahotra ny hiakaran'ny Empira vaovaon'i Babilona i Egipta ka nandray ny fifehezana ny tanin'i Asiria hatramin'ny onin'i Eofrata ao Siria, nefa nanafika azy i Babilona. Nandritra izany fotoana izany dia maty tamin'ny ady tao Megido tamin'ny taona 609 tal. J.K. i Josia mpanjakan'i Jodà.
 
Taorian'ny nadresen'ny Babiloniana ny tafiky ny farao Nekao tao Karkemisy tamin'ny taona 605 tal. J.K. dia nanomboka naneho fanajana an'i Nebokadnetsara II i Joiakima. Nisy ampahany tamin'ny tanora andriana tao Jodà nentina tany Babilona.[[Sary:The captivity of Judah.jpg|vignette|273x273px|Fanaovan-tsesitany ny Jiosin'i Jerosalema]]Tamin'ireo taona manaraka dia nizara roa ny tao an-dapan'i Jerosalema ka ny iray nanohana an'i Egipta fa ny iray hafa nanohana an'i Babilona. Taorian'ny nandresen'i Egipta an'i Nebokadnetsara tamin'ny taona 601 tal J.K. dia nikomy tamin'i Babilona i Jodà, ka niteraka ny fanaovana fahirano an'i Jerosalema mandritra ny telo volana izany izay nanomboka tamin'ny faran'ny taona 598 tal. J.K. (7)<ref><small>Geoffrey Wigoder, ''The Illustrated Dictionary & Concordance of the Bible'' Pub. by Sterling Publishing Company, Inc. (2006)</small></ref>. I Joiakima mpanjakan'i Jodà dia maty nandritra izany fahirano izany (8)<ref><small>Dan Cohn-Sherbok, ''The Hebrew Bible'', Continuum International, 1996. ISBN 0-304-33703-X</small></ref> ka nandimby azy ny zanany Joiakina izay atao hoe Jekonia koa, tamin'ny faha-18 taonany (9) (2Mpanjaka 24.6–8). Azon'i Nebokadetsara tamin'ny faha-2n'ny [[Tetiandro hebreo|volana Adara]] (16 Marsa) taona 597 tal. J.K. i Jerosalema (10)<ref><small>Philip J. King, ''Jeremiah: An Archaeological Companion'' (Westminster John Knox Press, 1993), p. 23.</small></ref> ka nobaboiny miaraka amin'ny Tempoly ary i Jekonia sy ny tandapany ary ny olona tsongoimbolo hafa koa, isan'izany ny mpaminany [[Ezekiela]], dia nentina tany Babilona (11)<ref><small>''The Oxford History of the Biblical World'', ed. by Michael D Coogan. Pub. by Oxford University Press, 1999. p. 350</small></ref>. Ny dadatoan'i Joiakima, i Zedekia, dia notendrena ho mpanjaka hisolo azy, nefa ireo olona nasesitany tany Babilona dia nihevitra an'i Jekonia ho mpanjakany na lohany ihany.
[[Sary:François-Xavier Fabre - Nabuchodonosor Has Zedekiah's Children Killed before his Eyes.jpg|vignette|245x245px|Nampamonoin'i Nebokadnetsara teo imason-drainy ny zanaka'i Zedekia, nataon'i François-Xavier Fabre, taona 1787.]]
Na dia nampitandrina aza i [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]] sy ireo antoko nomba an'i Babilona dia nikomy tamin'i Babilona ihany i Zedekia ka niray tamin'ny farao Hofra. Niverina i Nebokadnetsara ka nandresy an'i Egipta sady nanao fahirano an'i Jerosalema fanidroany, ka niteraka ny fandravana ny tanàna tamin'ny taona 587 tal. J.K. Nosimban'i Nebokadnetsara ny mandan'ny tanàna sy ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ary ny tranon'ny mponina nanana ny maha izy azy. Nosamborina i Zedekia sy ireo zanany izay novonoina teo imasony, avy eo nopotsirina ny masony ka nentina tany Babilona niaraka tamin'ny babo maro hafa koa (Jeremia 52.10-11). Lasa faritany fehezin'i Babilona i Jodà ka nomen'ny Babiloniana anarana hoe Iehoda (Yehud izany hoe Jodea), dia tapitra teo ny [[Fanjakan'i Jodà]] mahaleo tena. Noho ireo taona banga ao amin'ny tetiandro jiosy dia mametraka ny daty nandravana ny Tempoly voalohany amin'ny taona 3338 [[Tetiandro hebreo|TH]] (423 tal. J.K.) (12) na 3358 [[Tetiandro hebreo|TH]] (403 tal. J.K.) (13) ny loharano rabinika.
Andalana faha-17:
Nanendry governora voalohany i Babilona, dia i Gedalia izay Jodaita ao tao Jodà; nantsoin'i Gedalia ny Jiosy maro izay nandositra nankany amin'ireo firenena akaiky toa an'i Moaba sy i Amona ary i Edoma mba hiverina, sady nanao izay hampandroso ny tany izy. Fotoana fohy taty aoriana dia nisy tamin'ireo sisa velona tamin'ny fianakavia-mpanjaka namono an'i Gedalia sy ireo Babiloniana mpanolotsaina azy, ka maro ireo Jiosy mpialokaloka tao nandositra tany Egipta. Tamin'ny folotaona faharoan'ny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nisy Jiosy maro tany Babilona sy Egipta, ankoatr'ireo Jiosy nitoetra tao Jodà; izany no nanombohan'ny fisian'ny Jiosy any am-pielezana.
 
Araka ny [[Bokin'i Ezra]] (na [[Bokin'i Esdrasa]]) dia natsahatry ny mpanjaka persiana Kirosy Lehibe ny sesitany tamin'ny taona 538 tal. J.K. (14)<ref name=":0"><small>[https://www.biu.ac.il/js/rennert/history_4.html "Second Temple Period (538 BCE. to 70 CE) Persian Rule"]. Biu.ac.il. Notsidihina 21/01/2014.</small></ref>, iray taona taorian'ny nahazoany an'i Babilona (15)<ref><small>''Harper's Bible Dictionary'', ed. by Achtemeier, etc., Harper & Row, San Francisco, 1985, p. 103</small></ref>. Tamin'ny nanapahan'i Zorobabela, andriandahy (antsoina toy izany noho izy taranaky ny mpanjaka [[Davida (Baiboly)|Davida]]) sy i Josoa mpisorona (taranak'ireo mpisoronabe tao amin'ny Tempoly) no nifarana ny fahababoana ka namboarina ny Tempoly faharoan'i Jerosalema tamin'ny taona 521 tal. J.K. hatramin'ny taona 516 tal. J.K. (14)<ref name=":0" />.
 
== Ny literatioran'ny Fahababoana ==
Ny vanimpotoan'ny fahababoana dia nampiroborobo ny literatiora jiosy. Ny fitantaran'ny [[Baiboly]] ny fahababoana dia hita ao amin'ny [[Bokin'i Jeremia]] (Jer. 39–43); ny fizaràna farany ao amin'ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]]; ny [[Boky faharoan'ny Tantara]]; ary ny toko voalohany ao amin'ny [[Bokin'i Ezra]] (na [[Bokin'i Esdrasa]]). Isan'ireo asasoratra avy any amin'ny fahababoana na momba ny fahababoana ny fitantarana ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] (Dan. 1 – 6), Sozana, i Bela sy ny Dragona, "Ireo zatovo telo" (1Esdrasa 3.1 – 5.6) ary ny [[Bokin'i Tobia]] sy ny [[Bokin'i Jodita]] (25)<ref><small>''[https://www.reuters.com/article/us-israel-archaeology-babylon-idUSKBN0L71EK20150203 "Ancient tablets reveal life of Jews in Nebuchadnezzar's Babylon"].'' 3 February 2017 – via Reuters.</small></ref>. Ny [[Bokin'ny Fitomaniana]] dia vokatry ny fahababoana babiloniana.
 
Ny loharan’ny mpisorona, dia ny iray amin'ireo loharano efatra lehiben'ny [[Torah]] (na [[Pentateoka|Penteteoka]]) ao amin'ny [[Baiboly hebreo]], dia vokatry ny fotoana taorian'ny fahababoana tamin'ny nahalasa faritany persiana atao hoe Iehoda (''Yehud'') ny [[Fanjakan'i Jodà]] (27)<ref><small>Blum, Erhard (1998). "Issues and Problems in the Contemporary Debate Regarding the Priestly Writings". In Sarah Shectman, Joel S. Baden. ''[https://books.google.mg/books?id=10E4LpK732sC&pg=PA31&lpg=PA31&dq=The+strata+of+the+priestly+writings:+contemporary+debate+and+future+directions&source=bl&ots=nYabYfebRm&sig=w3WisvAaVptlL_pcU9UWmgSOsq0&hl=en&ei=OSX4TezlE4LgiAKt_7X9DA&sa=X&oi=book_result&c The strata of the priestly writings: contemporary debate and future directions].'' Theologischer Verlag. pp. 32–33.</small></ref>. Tamin'io vanimpotoana persiana io koa no nampandriana an-tsoratra ny Torah (16)<ref><small>Finkelstein, Israel; Silberman, Neil Asher (2001). ''The Bible Unearthed: Archaeology's New Vision of Ancient Israel and the Origin of Its Sacred Texts''. Simon and Schuster. ISBN 978-0-684-86912-4</small></ref>.
 
== Ny lanjan'ny fahababoana eo amin'ny tantaran’ny Jiosy ==
Ao amin'ny [[Baiboly hebreo]] dia asaho ho toy ny famaizana noho ny [[fanompoan-tsampy]] sy ny tsy fanajana an'i Iahveh ny fahababoana tany Babilona. Mitovy amin'ny fiheverana ny fanandevozana tany Egipta izay nodimbasan'ny fanafahana izany. Ny fahababoana tany Babilona dia nisy akony maro teo amin'ny [[jodaisma]] sy ny kolontsaina jiosy. Ohatra, ny [[abidy hebreo]] amin'izao fotoana izao dia noraisin'ny Jiosy tamin'io vanimpotoan'ny fahababoana io, ka nasolony ny abidy hebreo taloha.
 
Izany vanimpotoana izany no fotoana faratampon'ny faminaniana ao amin'ny Biboly ao amin'i [[Ezekiela|Ezekiela,]] izay narahin'ny fisandratan'ny anjara asa foiben’ny Torah teo amin'ny fiainan'ny Jiosy. Araka ny hevitry ny maro amin'ireo mpitsikera hentitra ny tantara dia nosoratana tamin'ny vanimpotoan'ny fahababoana ny Torah sady tamin'izany no nanomboka niheveran'ny Jiosy azy ho soratra manam-pahefana. Io vanimpotoana io koa no nisehoan'ny fiovana teo amin'ny Jiosy izay lasa vondrona ara-poko sy ara-pivavahana afaka misy na tsy manana [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] aza (28)<ref><small>''A Concise History of the Jewish People''. Naomi E. Pasachoff, Robert J. Littma. Rowman & Littlefield, 2005. p. 43</small></ref>.
 
Izany dia nifanojo amin'ny fisandratan'ny mpanora-dalàna sy ny olonkendry mpitarika ny Jiosy (jereo [[Ezra]]). Talohan'ny fahababoana dia voazara ho foko ny vahoakan'i Israely. Avy eo dia nitsitokotoko ho vondrona madinika isam-pianakaviana izy. Ny [[Fokon'i Israely|foko]]<nowiki/>n'i Levy ihany no nanohy ny anjara asany ao an-Tempoly taorian'ny fiverenana avy any am-pahababoana. Taorian'izany fotoana izany dia nisy Jiosy marobe nonina ivelan'ny tanin'i Israely; teo koa nonombohan'ny fisian'ny zanaka am-pielezana jiosy, afa-tsy hoe efa nanomboka izany tamin'ny famaboan'ny Asiriana an'i [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Israely]].
Andalana faha-34:
 
== Famintinana ara-potoana ==
Ny fafana aseho eto ambany dia nankinina tamin'ny fikarohan'i Rainer Albertz ao amin'ny bokiny atao hoe ''Israel in exile'' (29)<ref><small>Rainer Albertz, ''[https://books.google.mg/books?id=Xx9YzJq2B9wC&pg=PR21&redir_esc=y#v=onepage&q=xxi&f=false Israel in exile: the history and literature of the sixth century BCE]'', p.xxi.</small></ref>. Misy daty hafa koa azo ekena.
{| class="wikitable"
|'''Taona'''
Andalana faha-78:
* [[Fanjakan'i Jodà]]
*[[Fahababoana tany Asiria]]
 
== Loharano ==