Arivo taona (kristianisma): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]] na [[Arivo taona (kristianisma)|fanjakana arivo taona]] dia ilazana ny faharetan'ny fanjakan'i [[Jesosy|Jesosy Kristy]] eto an-tany aorian'ny niakarany any an-danitra araka ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsy]] ao amin'ny [[Baiboly]]. Izany fanjakana arivo taona izany dia resahina ao amin'ny toko faha-20 ao amin'ny [[Apokalypsin'i Jaona|Bokin'ny Apokalipsy]]. Samy manana ny fivosany izany arivo taona izany ny mpanao heviteny sy ny antokom-pinoana ka ao ireo mandray izany ara-bakiteny<small>,</small> izay atao hoe [[Milenarisma|milenarista]]<small>,</small> ary ao koa ireo mandray izany amin'ny heviny am-panoharana<small>,</small> izay atao hoe [[amilenarista]].
 
== Lahatsotratra ahitana ny "arivo taona" ==
Andalana faha-23:
 
== Ny amilenarisma ==
Ny [[amilenarisma]] dia fampianarana izay manambara fa tsy ara-bakiteny izany fanjakana arivo taon'ny [[Mesia]] izany. Ny amilenarista dia mandà ny fiheverana fa hanjaka eto an-tany ara-bakiteny i [[Jesoa|Jesoa Kristy]]. Ny fanjakana arivo taona dia ampitoviziny amin'ny fanjakana mandrakizay, araka izay hita ao amin'ny toko faha-21 sy faha-22 ao amin'ny Apokalipsy sady mampihatra ny faminaniana momba ny fananganana an'i Israely indray amin'ny Fiangonana. Isa am-panoharana ihany ny isa 1000 resahina ao amin'ny Apokalipsy. Fanjakana ara-panahy ny fanjakan'i Jesoa Kristy fa tsy fanjakana eto an-tany ara-nofo.
 
Amilenarista ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]], ny [[Kristianisma ortodoksa|Fiangonana ortodoksa]], ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]], ny [[Fiangonana nohavaozina|Fiangonana nohavaozina,]] ny [[Metodisma|Fiangonana metodista]] ary ny [[Loteranisma|Fiangonana loterana]].