Arivo taona (kristianisma): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Arivo taona (kristianisma)|arivo taona]] na [[Arivo taona (kristianisma)|fanjakana arivo taona]] dia ilazana ny faharetan'ny fanjakan'i Jesosy Kristy eto an-tany aorian'ny niakarany any an-danitra araka ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsy]] ao amin'ny [[Baiboly]]. Izany fanjakana arivo taona izany dia resahina ao amin'ny toko faha-20 ao amin'ny Bokin'ny Apokalipsy. Samy manana ny fivosany izany arivo taona izany ny mpanao heviteny sy ny antokom-pinoana ka ao ireo mandray izany ara-bakiteny<small>,</small> izay atao hoe [[Milenarisma|milenarista]]<small>,</small> ary ao koa ireo mandray izany amin'ny heviny am-panoharana<small>,</small> izay atao hoe amilenarista.
 
== Lahatsotratra ahitana ny "arivo taona" ==
 
==== Lahatsoratra apokrifa ====
Ny firesahana ny amin'ny arivo taona hanjakan'ny [[Mesia]] dia hita ao amin'ny soratra apokrifa sasany toy ny [[Salamon'i Salomona|Salamon'i Solomona]], ny [[Bokin'i Henoka]], ny [[Apokalipsy siriakan'i Baroka|Apokalipsin'i Baroka]] ary ny [[Bokin'ny Jobily]].
 
==== Lahatsoratra kanonika ====
Inty ireo andalana ao amin'ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsy]] miresaka ny amin'ny arivo taona hanjakan'i [[Jesosy|Jesosy Kristy]] eto an-tany:
 
<small>"1 Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; 2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, 3 dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. 4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. 5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. 6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. 7 Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany 8 ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany." (Apok. 20.1-8)</small>
Andalana faha-14:
 
== Ny milenarisma ==
Ny [[milenarisma]] dia fivoasana ara-bakiteny ny arivo taona hanjakan'ny [[Mesia]] eto an-tany. Mizara roa ny milenarisma, dia ny premilenarisma (izay mihevitra fa hanjaka arivo taona alohan'ny hanagadrana an'i [[Satana]] ny Mesia) sy ny postmilenarisma (izay mino fa aorian'ny hanagadrana an'i Satana no hiavian'ny Mesia).
 
==== Premilenarisma ====
Amin'ireo premilenarista dia ara-bakiteny ny fanjakan'i Kristy eto an-tany mandritra ny arivo taona sady hitranga alohan'ny hamatorana an'i Satana mandritra ny arivo taona sy ny fiavian'i Kristy faninroanyfanindroany izany. Ireto avy ireo fiangonana premilenarista: ireo [[Evanjelisma|Fiangonana evanjelijka]], ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito|Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]], ny [[Vavolombelon'i Jehovah]] ary ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany|Olomasin'ny Andro Farany]].
 
==== Postmilenarisma ====
Andalana faha-23:
 
== Ny amilenarisma ==
Ny [[amilenarisma]] dia fampianarana izay manambara fa tsy ara-bakiteny izany fanjakana arivo taon'ny Mesia izany. Ny amilenarista dia mandà ny fiheverana fa hanjaka eto an-tany ara-bakiteny i [[Jesoa|Jesoa Kristy]]. Ny fanjakana arivo taona dia ampitoviziny amin'ny fanjakana mandrakizay, araka izay hita ao amin'ny toko faha-21 sy faha-22 ao amin'ny Apokalipsy sady mampihatra ny faminaniana momba ny fananganana an'i Israely indray amin'ny Fiangonana. Isa am-panoharana ihany ny isa 1000 resahina ao amin'ny Apokalipsy. Fanjakana ara-panahy ny fanjakan'i Jesoa Kristy fa tsy fanjakana eto an-tany ara-nofo.
 
Amilenarista ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]], ny [[Kristianisma ortodoksa|Fiangonana ortodoksa]], ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]], ny [[Fiangonana nohavaozina|Fiangonana nohavaozina,]] ny [[Metodisma|Fiangonana metodista]] ary ny [[Loteranisma|Fiangonana loterana]].