Paradisa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy tsipelina ary fanitsiana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Man Made in the Image of God (crop).jpg|vignette|318x318px|I Adama sy i Eva ao amin'ny Saha Edena]]
Ny [[paradisa]] dia toeranam-pahasambarana ahitana ny fahamaroan'ny zavatra tsara tsy mety lany sady lavitra ny fijaliana ka handraisana ireo olona tsy nivadika amin'ny finoany. Ao amin'ireo fivavahana abrahamika ([[Jodaisma]] sy [[Kristianisma]] ary [[Silamo]]) dia ny saha [[Edena]] no paradisa nametrahan'Andriamanitra ny olombelona voalohany, dia i [[Adama]] sy i [[Eva]]. Ny fahotan'ireo olombelona ireo no niteraka ny fahaverezan'ny toetrantoetr'ilay paradisa ka nahatonga ny fiovan'ny fifandraisana eo amin'ny olona samy olona sy eo amin'ny olona sy ny [[zavaboary]] hafa ary eo amin'ny olona sy Andriamanitra ho lasa ratsy. Ny paradisa tahaka ny endriny voalohany no antenain'ny mpino any amin'ny [[andro farany]]. Ny fiverenan'izany paradisa izany dia matetika voalaza fa ialohavan'ny fiavian'ny [[Mpamonjy]] irahin'Andriamanitra ho amin'ny fanomanana sy ny fanatanterahana azy.
 
Samy ahitana fanantenana paradisa avokoa ny fivavahana rehetra na dia samy hafa aza ny fiheverany sy ny finoany ny amin'izany. Ataon'ny mpivavaka hoe Fanjakan’Andriamanitra[[Fanjakan'Andriamanitra]] izay ho tonga any amin'ny fiafaran'izao tontolo izao ny paradisa. Ny fivavahana toy ny [[Hindoisma]] sy ny [[Jainisma]] ary ny [[Bodisma]] dia manana ny ataony hoe ''nirvana'' izay mifanakaiky hevitra amin’ny hoe ''paradisa'' na dia ara-panahy fa tsy toerana azo tsapain-tanana aza no hisy ny fahasambarana tondroin'izany.
 
Matetika dia ampifanoherina amin'ny toerana hisy ny tsy mino ny paradisa, dia ny toaram-pijaliana izany.