Prôtestantisma eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-54:
Lasa zanatanin'i Frantsa i [[Madagasikara]] tamin'ny taona 1897 nefa tsy nanohana ny misiona katolika i Galliéni na dia tsy nanavakavaka fivavahana.
 
Tsy nahomby nihoatra ny Protestanta ny Katolika noho ny antony maro: tsy fahafahan'ny Malagasy katolika mamaky Baiboly<ref><small>Tsy tena nilaina ny hamakiana izany satria tsy neken'ny Papa ho vakina; tsy mbola voadika amin'ny teny malagasy rahateo ny Baiboly; ny toriteny na ny vakiteny dia nataon'ny misionera katolika ho tsara kokoa raha atao amin'ny teny latina na dia tsy tafita amin'ny Malagasy aza izany.</small></ref>. Sahirana ny Protestanta tamin'ny fotoana nanombohan'ny fanjanahan-tany noho ny nataon'ireo Zezoita (frantsay: ''Jésuites'') izay nampifangaro ny raharaha politika sy ny raharaham-pivavahana ka nanao ny Protestanta ho sakaizan'ny Anglisy sy ho fahavalon'ny Frantsay. Nandefa iraka ny misiona protestanta avy any Parisy, dia ny ''Mission Protestante Française'' (MPF) na ''Société des Missions Evangéliques de Paris'' (SMEP) tamin'ny taona 1897 noho ny fitadiavana fanampiana nataon’ny LMS. Ny misoneran'ny MPF tonga tamin’izay dia i Lauga sy i Kruger ary i Benjamin Escandre<ref><small>J. Rabemanahaka, J. Rennes, G. Razafindrakoto, "Calvin - ny Andro moderna", ao amin'ny ''Tantaran'ny Fiangonana'', 1964, p.69</small></ref>.
 
Maro ireo mpino protestanta niala amin’ny fiangonany noho ny tahotra. Betsaka koa ny trano fiangonana protestanta nalain’ny misionera katolika ho azy na narodana. Naverina tamin’ny Protestanta ihany izy ireo taty aoriana afa-tsy ny fiangonana tao amin'ny faritr'Ambatomanga<ref><small>J. Rabemanahaka, J. Rennes, G. Razafindrakoto, "Calvin - ny Andro moderna", ao amin'ny ''Tantaran'ny Fiangonana'', 1964,</small> <small>p.70.</small></ref>.
 
==== Fotoan'ny fahalalahana (1905-1946) ====
Teraka ny fiombonan'ny fiangonana protestanta izay atao hoe Komity Intermisionera iraisan'ny misiona protestanta enina (ny ''[[London Missionary Society]]'', ny ''Friends of Foreign Mission Association'', ny ''Mission Protestante Française'', ny ''[[Norwegian Missionary Society|Norvegian Missionary Society]]'', ny ''Lutherian Church of America'', ny ''Lutherian Board of Mission'')<ref name=":2"><small>J. Rabemanahaka, J. Rennes, G. Razafindrakoto, "Calvin - ny Andro moderna", ao amin'ny ''Tantaran'ny Fiangonana'', 1964,</small> <small>p.71</small></ref> izay hatao hoe Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) aty aoriana (englisy: ''Federation of the Protestante Churchs in Madagascar'') tamin'ny taona 1913 nefa ny Anglikana tsy niditra ao<ref><small>Raminosoa Marcel (Mpandridra), ''Inona moa ny FFPM ?,'' Antananarivo, 2003, p. 1.</small></ref>. Tamin’io taona 1950 io dia niova anarana ny Komity Intermisonera ka lasa Komitin'ny Protestanta.
 
Nisongadina tamin'ny fanoherana ny mpanjana-tany ny Protestanta. Ireo avara-pianarana malagasy, indrindra ny mpitsabo sy ny pastora, dia nivondrona tanaty fikambanana talohan'ny taona 1920, dia ny ''Vy, Vato, Sakelika'' (VVS). Protestanta ny ankamaroany. Nisy koa antoko politika izay nitaky ny fizakantena sy ny fahaleovantenan'i Madagasikara, dia ny ''[[Mouvement démocratique de la rénovation malgache|Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache]]'' (MDRM) izay niorina tamin’ny 22 Septambra 1946, dia nahitana mpikambana protestanta koa.
Andalana faha-73:
Tamin'ny taona 1950 dia niforona ny komitin'ny firaisana niarahan'ny Malagasy sy ireo misiona britanika (ny LMS sy ny FFMA ary ny MPF)<ref name=":0" />. Tamin'io taona io ihany dia nitambatra ny fiangonana nentin'ireo misionera norveziana (ny ''Norwegian Missionary Society'') sy amerikana (ny ''American Lutheran Church'' sy ny ''Lutherian Board of Mission'') ka nitondra ny anarana hoe [[Fiangonana Loterana Malagasy]] (FLM) ka efa nanana sinodam-paritany enina.
 
Tamin'ny taona 1958 dia niova anarana amin'ny teny malagasy ny fiangonan'ny misionera anglisy sy frantsay ka ny FFMA niova ho Fiangonana Frenjy Malagasy (FFM) tamin'ny taona 1958, ny MPF niova ho Fiangonana ara-Pilazantsara eto Madagasika (FPM) tamin'ny taona 1960, ny LMS niova ho Fiangonan'i Kristy eto Madagasikara (FKM) tamin'ny taona 1962 <ref name=":1"><small>FJKM Rennes-Laval [http://fjkmrenneslaval.com/sp-vfa37/tantaranny-fjkm/ "Tantaran'ny FJKM: 45 taona"]</small></ref> <ref><small>Fjkm-ambalavaoisotry [http://www.fjkm-ambalavaoisotry.org/5-tantara "Tsiahy ny tantaran'ny FJKM"]</small></ref>.
 
Nandritra ny fanjanahan-tany dia ny LMS sy ny FFMA (ny ''Quakers'' na ''Frends'') no misiona tena natanjaka ka nitambatra tamin'ny misiona protestanta frantsay sy ny misiona loterana izy ireo talohan'ny taona 1960 ka nanangana ny ''Fédération des Églises Protestantes de Madagascar'' (FFPM).