Fahababoana tany Babilôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-32:
 
Ao amin'ny literatiora rabinika dia ataon'ireo any am-pielezana sarin-teny fanoharana i Babilona. Matetika dia ilazana ny diaspora talohan'ny fandravana ny Tempoly faharoa ny teny hoe "Babilona". Torian'ny faharavan'ny Tempoly faharoa dia ny hoe "Roma" na "Edoma" no teny nampiasaina.
 
<br />
 
== Famintinana ara-potoana ==
Ny fafana aseho eto ambany dia nankinina tamin'ny fikarohan'i Rainer Albertz ao amin'ny bokiny atao hoe ''Israel in exile'' (29). Misy daty hafa koa azo ekena.
{| class="wikitable"
|'''Taona'''
|'''Zava-nitranga'''
|-
|609 tal.J.K.
|<small>Nahafatesan'i Josia</small>
|-
|609-598 tal.J.K.
|<small>Ny fanapahan'i Joiakima (izay nandimby an'i Joahaza – izay nisolo an'i Josia nefa tsy nanapaka afa-tsy nandritra ny telo volana) dia nanomboka nitsaoka an'i Nebokadnetsara tamin'ny taona 605 tal. J.K. Fanaovan-tsesitany voalohany. Heverina ho isan'ny natao sesitany tamin'izany i Daniela (na Daniely).</small>
|-
|598/7 tal.J.K.
|<small>Fanjakan'i Joiakina (nanapaka telo volana). Fahirano sy fahalavoan'i Jerosalema. Sesitany faharoa tamin'ny 16 Marsa 597.</small>
|-
|597 tal.J.K.
|<small>Zedekia (na Sedekiasa) nasandratr'i Nebokadnetsara II-n'i Babilona ho mpanjaka.</small>
|-
|594 tal.J.K.
|<small>Fiokoana nanoherana an'i Babilona</small>
|-
|588 tal.J.K.
|<small>Fahirano sy faharavan'i Jerosalema. Narodana ny Tempolin'i Solomona. Sesitany fahatelo tamin'ny Jolay/Aogositra 587.</small>
|-
|583 tal.J.K.
|<small>Gedalia – governoran'ny faritanin'i Iehoda (Jodea) notendren'ny Babiloniana. Jiosy maro no nandositra ho any Egipta ka saika niteraka sesitany fahefatra any Babilona.</small>
|-
|562 tal.J.K.
|<small>Fanafahana an'i Joiakina taorian'ny nitoerany 37 am-ponja tany Babilona (30). Nijanona tao Babilona izy.</small>
|-
|539 tal.J.K.
|<small>Azon'ny Persiana i Babilona tamin'ny Oktobra 539 tal. J.K.</small>
|-
|538 tal.J.K.
|<small>Ny didin'i Kirosy nampody ny Jiosy ho any Jerosalema.</small>
|-
|520-515 tal.J.K.
|<small>Fiverenan'ny Jiosy maro any Iehoda (Jodea) teo ambany fitarihan'i Zorobabela sy i Josoa mpisoronabe. Napetraka ny fototry ny Tempoly faharoa.</small>
|}
 
== Jereo koa: ==