Fahababoana tany Babilôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-12:
 
Taorian'ny nadresen'ny Babiloniana ny tafiky ny farao Nekao tao Karkemisy tamin'ny taona 605 tal. J.K. dia nanomboka naneho fanajana an'i Nebokadnetsara II i Joiakima. Nisy ampahany tamin'ny tanora andriana tao Jodà nentina tany Babilona.[[Sary:The captivity of Judah.jpg|vignette|273x273px|Fanaovan-tsesitany ny Jiosin'i Jerosalema]]Tamin'ireo taona manaraka dia nizara roa ny tao an-dapan'i Jerosalema ka ny iray nanohana an'i Egipta fa ny iray hafa nanohana an'i Babilona. Taorian'ny nandresen'i Egipta an'i Nebokadnetsara tamin'ny taona 601 tal J.K. dia nikomy tamin'i Babilona i Jodà, ka niteraka ny fanaovana fahirano an'i Jerosalema mandritra ny telo volana izany izay nanomboka tamin'ny faran'ny taona 598 tal. J.K. (7). I Joiakima mpanjakan'i Jodà dia maty nandritra izany fahirano izany (8) ka nandimby azy ny zanany Joiakina izay atao hoe Jekonia koa, tamin'ny faha-18 taonany (9). Azon'i Nebokadetsara tamin'ny faha-2n'ny [[Tetiandro hebreo|volana Adara]] (16 Marsa) taona 597 tal. J.K. i Jerosalema (10) ka nobaboiny miaraka amin'ny Tempoly ary i Jekonia sy ny tandapany ary ny olona tsongoimbolo hafa koa, isan'izany ny mpaminany [[Ezekiela]], dia nentina tany Babilona (11). Ny dadatoan'i Joiakima, i Zedekia, dia notendrena ho mpanjaka hisolo azy, nefa ireo olona nasesitany tany Babilona dia nihevitra an'i Jekonia ho mpanjakany na lohany ihany.
[[Sary:François-Xavier Fabre - Nabuchodonosor Has Zedekiah's Children Killed before his Eyes.jpg|vignette|245x245px|Nampamonoin'i Nebokadnetsara teo imason-drainy ny zanaka'i Zedekia, nataon'i François-Xavier Fabre, taona 1787.]]
 
Na dia nampitandrina aza i [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]] sy ireo antoko nomba an'i Babilona dia nikomy tamin'i Babilona ihany i Zedekia ka niray tamin'ny farao Hofra. Niverina i Nebokadnetsara ka nandresy an'i Egipta sady nanao fahirano an'i Jerosalema fanidroany, ka niteraka ny fandravana ny tanàna tamin'ny taona 587 tal. J.K. Nosimban'i Nebokadnetsara ny mandan'ny tanàna sy ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ary ny tranon'ny mponina nanana ny maha izy azy. Nosamborina i Zedekia sy ireo zanany izay novonoina teo imasony, avy eo nopotsirina ny masony ka nentina tany Babilona niaraka tamin'ny babo maro hafa koa (Jeremia 52.10-11). Lasa faritany fehezin'i Babilona i Jodà ka nomen'ny Babiloniana anarana hoe Iehoda (Yehud izany hoe Jodea), dia tapitra teo ny [[Fanjakan'i Jodà]] mahaleo tena. Noho ireo taona banga ao amin'ny tetiandro jiosy dia mametraka ny daty nandravana ny Tempoly voalohany amin'ny taona 3338 [[Tetiandro hebreo|TH]] (423 tal. J.K.) (12) na 3358 [[Tetiandro hebreo|TH]] (403 tal. J.K.) (13) ny loharano rabinika.