Prôtestantisma eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-57:
 
==== Fotoan'ny fahalalahana (1905-1946) ====
Teraka ny fiombonan’ny fiangonana protestanta izay atao hoe Komity Intermisionera iraisan'ny misiona protestanta enina (ny ''[[London Missionary Society]]'', ny ''Friends of Foreign Mission Association'', ny ''Mission Protestante Française'', ny ''[[Norwegian Missionary Society|Norvegian Missionary Society]]'', ny ''Lutherian Church of America'', ny ''Lutherian Board of Mission'')<ref name=":2"><small>''Tantaran'ny Fiangonana'' p.71</small></ref> izay hatao hoe Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) aty aoriana (englisy: ''Federation of the Protestante Churchs in Madagascar'') tamin'ny taona 1913 nefa ny Anglikana tsy niditra ao<ref><small>Raminosoa Marcel (Mpandridra), ''Inona moa ny FFPM ?,'' Antananarivo, 2003, p. 1.</small></ref>. Tamin’io taona 1950 io dia niova anarana ny Komity Intermisonera ka lasa Komitin'ny Protestanta.
 
Nisongadina tamin'ny fanoherana ny mpanjana-tany ny Protestanta. Ireo avara-pianarana malagasy, indrindra ny mpitsabo sy ny pastora, dia nivondrona tanaty fikambanana talohan'ny taona 1920, dia ny ''Vy, Vato, Sakelika'' (VVS). Protestanta ny ankamaroany. Nisy koa antoko politika izay nitaky ny fizakantena sy ny fahaleovantenan'i Madagasikara, dia ny ''[[Mouvement démocratique de la rénovation malgache|Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache]]'' (MDRM) izay niorina tamin’ny 22 Septambra 1946, dia nahitana mpikambana protestanta koa.
 
Tonga tato Madagasikara ny misionera adventista tamin'ny taona 1926 nefa tsy nety niara-niasa tamin'ny misionera protestanta efa tratrany.