Prôtestantisma eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-57:
 
==== Fotoan'ny fahalalahana (1905-1946) ====
Teraka ny fiombonan’ny fiangonana protestanta izay atao hoe Komity Intermisionera iraisan'ny misiona protestanta enina (ny ''London Missionary Society'', ny ''Friends of Foreign Mission Association'', ny ''Mission Protestante Française'', ny ''Norvegian Missionary Society'', ny ''Lutherian Church of America'', ny ''Lutherian Board of Mission'')<ref name=":2"><small>''Tantaran'ny Fiangonana'' p.71</small></ref> izay hatao hoe Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) aty aoriana (englisy: ''Federation of the Protestante Churchs in Madagascar'') tamin'ny taona 1913 nefa ny Anglikana tsy niditra ao<ref><small>Raminosoa Marcel (Mpandridra), ''Inona moa ny FFPM ?,'' Antananarivo, 2003, p. 1.</small></ref>. Tamin’io taona 1950 io dia niova anarana ny Komity Intermisonera ka lasa Komitin'ny Protestanta.
 
Nisongadina tamin'ny fanoherana ny mpanjana-tany ny Protestanta. Ireo avara-pianarana malagasy, indrindra ny mpitsabo sy ny pastora, dia nivondrona tanaty fikambanana talohan'ny taona 1920, dia ny ''Vy, Vato, Sakelika'' (VVS). Protestanta ny ankamaroany. Nisy koa antoko politika izay nitaky ny fizakantena sy ny fahaleovantenan'i Madagasikara, dia ny ''Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache'' (MDRM) izay niorina tamin’ny 22 Septambra 1946, dia nahitana mpikambana protestanta koa.
Andalana faha-66:
 
==== Fotoan'ny fiampagana tamin'ny raharaha 1947 ====
Maro ny Protestanta nampangaina ho niray tetika tamin'ny mpanohitra ny fanjakana frantsay. Maro toraka izany koa ny trano fiangonana protestanta norava'ny Farantsay. Nanampy ny fiangonana protestanta malagasy ny Protestanta tany Frantsa tamin'ny nandefasany an'i Marc Boegner sy i André Roux ary i Charles Bonzon izay samy mpitandrina<ref><small>''Tantaran'ny Fiangonana''name=":2" p.71</small></ref>. Tetsy an-daniny koa dia niampanga ny Kristiana ho mpiray tsikombakomba tamin'ny Vazaha ny fikambanana mpanafaka tanindrazana ''Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache'' (MDRM) ka lasa "fahavalon'ny fiangonana" noho ny fanimbany sy ny fandrobany ny trano fiangonana tamin'ny faritra sasany teto Madagasikara. 
 
==== Fotoana nanombohan'ny fampitambarana ny fiangonana ====