Sinagôga: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Synagogue Yohanan ben Zakkaï.JPG|vignette|324x324px|Ny ao antin'ny Sinagoga Yohanan ben Zakkaï, iray amin'ireo sinagoga efatra sefarada<ref><small>''Jiosy sefarada'' na ''Sefarada'': Jiosy monina na tarak'ireo Jiosy nonina tao amin'ny Saikanosy Iberika (Espaina sy Portogaly indrindraindrindra).</small> </ref> ao Jerosalema.]]
Ny [[sinagoga]] dia trano fivavahan'ny [[Jiosy]] na ny [[Samaritana]] isan-toerana. Ny tena niandohan'ny sinagoga, izany hoe ny toerana fivorian'ny mpino izay tafasaraka tamin'ny fivavahana ao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]], dia mety tamin'ny ndron'ny mpaminany na tamin'ny andron'ireo mpianany (jereo ny ao amin'hy [[Bokin'i Isaia]] 8.16 sy ny manaraka). Tamin'ny voalohany dia tsy noheverina ho masina ny sinagoga, nefa nihamasina niandalana izy<ref><small>Dominique Iogna-Prat et Gilles Veinstein, [http://rhr.revues.org/4220 "Lieux de culte, lieux saints dans le judaïsme, le christianisme et l’islam : Présentation"] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Frhr.revues.org%2F4220 tahiry]], Revue de l’histoire des religions, <abbr>no</abbr> 4 | 2005.</small></ref>. Teraka niaraka tamin'ny asan'i [[Ezra]] (na Esdrasa), amin'ny maha andrim-piarahamonina mampiavaka ny [[jodaisma]] azy, ny sinagoga. Noho izany dia nanana ny anjara toerany lehibe ny sinagoga ka nahatonga ny teny hoe ''Sinagoga'' hanondro am-panoharana ny rafitry ny [[jodaisma]], izay mifanohitra amin'ny ''Fiangonana'' kristiana<ref><small>"[http://encyclopedia.jrank.org/SUS_TAV/SYNAGOGUE_avvaywyii_.html Synagogue]" [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fencyclopedia.jrank.org%2FSUS_TAV%2FSYNAGOGUE_avvaywyii_.html tahiry]], ''Encyclopædia Britannica'' (1911) (notsidihina 28 Aogositra 2007)</small></ref>.
 
Amin'ny ankapobeny dia ahitana fitoerana masina ny sinagoga, izany hoe efitrano malalaka fanaovana fivavahana, izay mitahiry ny [[Torah|Bokin'ny Torah]]. Mety hahitana efitrano fanaovana lanonana iraisana koa ny sinagoga. Ahitana efitrano madinika natokana ho an'ny fandinihana (hebreo: ''בית מדרש'' / ''Beit midrash'' "trano fandinihana" na "trano fianarana"): na dia natokana ho an'ny fivavahana fotsiny aza ny sinagoga tamin'ny voalohany dia nanjary toerana misy ny ''Talmud Torah'', izany hoe ny fampianarana ny lovantsofina sy ny fiteny hebreo, na ho an'ny zaza izany na ho an'ny olon-dehibe. Izany fanjakan'izany anjara asa vaovaon'ny sinagoga izany no nahatonga an'i [[Filo avy any Aleksandria]]<ref><small>Philo, Spec. 2.61–62</small></ref> sy ny Jiosy nonina tao Venitia (na Veniza) ary ny [[Jiosy]] any amin'ireo firenena askenazy miteny idishy izay manondro ny sinagoga amin'ny teny hoe ''didaskaleia'' na ''scuola'' na שול / ''shul'', izany hoe "sekoly". Izany anarana izany dia ampiasaina mandrakariva mba hilazana ny sinagoga, nefa tsy amin'ny fomba ara-penitra, indrindra any amin'ireo faritra askenazy<ref><small>Ny Askenazy dia ireo Jiosy ao Eoropa afovoany sy atsinanana.</small></ref>.
 
Mampiasa ny teny hoe ''προσευχή'' / ''proseukhê'' ("vavaka") na toeram-pivavahana i Filo avy any Aleksandria sy ireo mpanoratra ny [[Testamenta Vaovao]] (amin'ny teny grika).
Andalana faha-12:
 
==== Ao amin'ny Testamenta Taloha ====
Na ny teny na ny hevitry ny hoe sinagoga dia tsy hita ao amin'ny [[Pentateoka]] na [[Torah]] (na dia milaza ny lovantsofin'ny [[Raby]]<ref><small>Targoman'i Jerosalema momba ny Eksodosy 18.20 sy ny 1Tantara 16.39; Rachi et Radak momba ny Jeremia 39.8, ny "tranon'ny vahoaka" (''bet amma'' amin'ny teny arameana) izay milaza ny sinagoga.</small></ref> sy i Filo avy any Aleksandria<ref><small>Filo avy any Aleksandria, ''De Vita Mosis'' <abbr>III</abbr>, 27</small></ref> ary i [[Flavio Josefa]]<ref><small>Flavio Josefa, ''Contra Apionem'' <abbr>II</abbr>, 17</small></ref> fa ny sinagoga dia efa nisy tamin'ny andron'i [[Mosesy]]). Tsy voaresaka ao ihany koa ny amin'ny fiaraha-mivavaka, ka ny toeram-panaovana fanompoam-pivavahana viaresakavoaresaka ao dia ny Tabernakely, fitoerana masina azo enti-mandehandeha izay mirakitra ny Fiaran'ny fanekana ao amin'ny efitra atao hoe "masina indrindra". Io Fiaran'ny fanekena io dia napetraka tao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoli]]<nowiki/>n'i Solomona koa izay namboarina hitehirizana azy maharitra<ref><small>Ny teny grika hoe συναγωγή / ''sunagôgê'' dia ampiasaina nanaomoka tamin'ny Septoajinta mba handikana ny teny hebreo hoe קָהָל / qahal. Mitranga matetika io teny io satria miseho mihoatra ny in-100 ao amin'ny Pentateoka. Hita ao amin'ny Gensisy 28.3 ohatra io teny io ka adika amin'ny teny hoe fiangonana (fiangonan'ny vahoaka) sy ny Genesisy 35.11.</small></ref>.
 
Ny firesahana voalohany ny amin'ny fivoriam-pivavahana ivelan'ny Tempoly dia hita ao amin'ny [[Bokin'i Isaia|Isaia]] 8.16: vondron'ny mpianatra nivory niaraka tamin'ny mpaminany Isaia mba hihaino ny tenin'Andriamanitra sy ny Torah. Izany koa no miseho ao amin'ny [[Bokin'i Ezekiela|Ezekiela]] 8.1 izay ahitana ny loholona ao amin'i Joda mivory ao an-tranon'i Ezekiela. Ny [[Bokin'ny Salamo|Salamo]] 74.8 dia angamba nosoratana tamin'ny fahababoana voalohany, dia milaza ny amin'ny "ivotoerana atokana ho an'Andriamanitra ao amin'ny firenena".