Fanavaozana prôtestanta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy loharano
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Fanavaozam-piangonana]], izay atao hoe koa [[Fanavaozam-piangonana|Reformasiona]] na [[Fanavaozam-piangonana|Reforma]], dia fihetsiketsehana ara-pivavahana tamin'ny taonjato faha-16 tao amin'ny [[Kristianisma Tandrefana|Fiangonana Tandrefana]] izay nanapitra ny fahambonian'ny [[Papa]] eo amin'ny fitondram-piangonana sady sady niafara tamin'ny fiforonan'ire [[Protestantisma|Fiangonana protestanta maro]]. Ny Fanavaozam-piangonana dia vokatry ny faniriana ny hiverina amin'ny loharano nipoiran'ny [[Kristianisma]]. Te hanome lanja ny fivavahana sy ny fiainana ara-tsosialy amin'ny fomba fijery hafa koa ireo mpanavao fiangonana (na reformatora).
 
Ny Reformasiona dia ahitana taratra ny fanahian'ny fanahin'olombelona<ref><small>Paul Faure, ''La Renaissance'', PUF, 1986, <abbr>p.</abbr> 108</small></ref>, ny amin'ny famonjena, izay ivon'ny fisaintsainan'ireo mpanavao finoana, izay namaky bantsilana ny fahasimban'ny fiarahamonina manontolo nateraky ny fivarotana ny indolzantsa. Nanararaotra ny firoborobon'ny fanaovana pirinty ny mpanavao finoana mba hanaparitahany ny [[Baiboly]] amin'ny fitenin'ny olona andavanandro (indrindra amin'ny [[Fiteny alemana|fiteny alemàna]]<nowiki/>taorian'ny fandikan-teny nataon'i [[Martin Lotera]]), sady naneho fa io boky io dia tsy miresaka ny amin'ny olomasina, na ny amin'ny fanaovana fotoam-pivavahana amin'ny [[Maria (renin'i Jesoa)|Virjina]], na ny amin'ny afo fandiovana. Ny fakana hevitra avy amin'ny Baiboly ho filamatra anefa no isan'ny zavatra nanetsika ireo mpanavao finoana. Izany foto-kevitra izany, izay fantatra amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Sola scriptura'' ("ny Soratra Masina irery ihany"), no nitari-dalana azy ireo.
 
 
Ny Reformasiona dia ahitana taratra ny fanahian'ny fanahin'olombelona<ref><small>Paul Faure, ''La Renaissance'', PUF, 1986, <abbr>p.</abbr> 108</small></ref>, ny amin'ny famonjena, izay ivon'ny fisaintsainan'ireo mpanavao finoana, izay namaky bantsilana ny fahasimban'ny fiarahamonina manontolo nateraky ny fivarotana ny indolzantsa. Nanararaotra ny firoborobon'ny fanaovana pirinty ny mpanavao finoana mba hanaparitahany ny [[Baiboly]] amin'ny fitenin'ny olona andavanandro (indrindra amin'ny [[Fiteny alemana|fiteny alemàna]]<nowiki/>taorian'ny fandikan-teny nataon'i [[Martin Lotera]]), sady naneho fa io boky io dia tsy miresaka ny amin'ny olomasina, na ny amin'ny fanaovana fotoam-pivavahana amin'ny [[Maria (renin'i Jesoa)|Virjina]], na ny amin'ny afo fandiovana. Ny fakana hevitra avy amin'ny Baiboly ho filamatra anefa no isan'ny zavatra nanetsika ireo mpanavao finoana. Izany foto-kevitra izany, izay fantatra amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Sola scriptura'' ("ny [[Soratra Masina]] irery ihany"), no nitari-dalana azy ireo.
 
Natombok'i Martin Lotera fony izy monka (na moanina) katolika tamin'ny 31 Oktobra 1517 tao amin'ny Empira Masina sy i Ulrich Zwingli tao Zorika, avy eo i Martin Bucer tao Strasborga ary taty aoriana i Jean Calvin tao Parisy sy tao Jeneva ny Reformasiona ka nahazo ny ampahany be tamin'i Eoropa Avaratra-Andrefana. Nandamoka ny ezaka fampihavanana natao tamin'izay ka teraka ny fivakisana teo amin'ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]]<nowiki/>romana sy ireo [[Protestantisma|Fiangonana protestanta]]. Ny Reforma nataon'ny Fiangonana katolika hanoherana izany izay nonomboka tamin'ny konsily tao Tredenta (na Trenta) dia tsy nahatafaverina afa-tsy ampahany amin'ny mponina efa niova ho protestanta.
 
 
 
Nanana endrika politika koa ilay Reformasiona protestanta satria lasa fitaovana nentin'ireo andriandahy tany Eoropa haneho ny fahaleovantenany manoloana ny fahefan'ny Papa izay lazaina fa [[Teokrasia|fitondram-pajakan'Andriamanitra]] ([[teokrasia]]) manerana izao tontolo izao. Nentin'ireo mponina maro hikomy manoloana ny andriamanjaka tsy ankasitrahany toa izay nisy tao Ekosy sy tao Holanda aspaniola koa nhy Reformasiona. maro ny vokatr'ilay fihetsiketsehana tamin'ny taonjato faha-16, dia disadisa teo anivon'ny emperora Habsbourg sy ireo andriandahy alemàna, ary koa ireo ady an-trano tao Frantsa sy tao Angletera ary tao Ekosy.