Fitsanganan-ko velona (kristianisma): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-32:
==== Fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty ====
[[Sary:Luca Giordano - Resurrection - WGA09020.jpg|vignette|''Fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty,'' nataon'i Luca Giordano.]]
[[Fitsanganan'i Jesosy ho velona|Nitsangana tamin'ny maty i Jesosy]] tamin'ny marainan'ny andron'ny [[Paska jiosy]] taorian'ny fahafatesany tamin'ny nanomboana azy amin'ny [[hazo fijaliana]]; ary zava-dehibe indrindra amin'ny finoana kristiana izany satria antom-pisiany.
 
Ny finoana kristiana dia miorina amin'ny fampianarana momba ny [[Fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty|fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty]] (1Kor. 15.13-19). Ahitana fitantarana momba ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty ny [[Filazantsara|Filazantsara efatra]].
 
Ny finoan'ny Kristiana ny fitsanganana amin'ny maty dia miorina amin'ny voasoratra ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]], indrindra ny ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Matio]] (Mat. 23.1-10), ny [[Epistily ho an'ny Romana]] (Rom. 1.4), ny [[Epistily voalohany ho an'ny Korintiana]] (1Kor. 15.1) izay maneho ny fasana foan'i Jesosy telo andro taorian'ny nahafatesany, sy ny fisehoan'i Jesosy tamin'ireo mpianany. Ireo fitantarana ireo dia maneho fa tsy mpaminany sahala amin'ireo mpaminany hafa i Jesosy izay nandresy ny fahafatesana fa izy no [[Mesia]].