Sanedrina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
 
Ny [[Sinedriona jiosySanedrina|sinedriona]] na [[Sinedriona jiosy|sanedrina]] dia ny antenimiera mpanao lalàna sy fitsarana tampony jiosy izay mivory ao Jerosalema nandritra ny fanjanahan-tany romana sady nanam-pahefana tamin'ny [[Jiosy]] tao Palestina sy tany am-pielezana. Voalaza ao amin'ny [[Filazantsaran'i Matio]] ao amin'ny [[Baiboly]] fa notsarain'ny sanedrina iray manontolo i [[Jesosy]] alohan'ny hanomboana azy tamin'ny hazo fijaliana (Mat. 26.66).
 
Ilay mpahay tantara jiosy [[Flavio Josefa]] dia miresaka ny sanedrina matetika ao amin'ny boky nosoratany atao hoe ''Antiquitates Judaicae.'' Na dia rava aza ny Fanjakana jiosy tamin'ny taona 70 tal. J.K. dia nisy ihany ny sinedriona izay nafindra tamin'ny tanàna lehibe sasany. Niahana ny raharaham-pitsarana sy ny raharaham-pivavahana jiosy ny sinedriona. Misy lahatsoratra ao amin'ny Mishna izay mamaritra ny fahefana sy ny fiasan'ny sinedriona. Neken'ny Fanjakana romana ny fitsarana nataony momba ny raharaha anatiny amin'ny samy Jiosy hatramin'ny taona 425.