Eseniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-22:
 
== Ny finoan'ny Eseniana ==
Araka an'i François Blanchetière dia vondrona iray ihany ny Yahad sy ny Eseniana izay Jiosy manaja tanteraka izay rehetra voasoratra ao amin'ny Soratra Masina ka mitandrina ny ''Mizvot'', na dia tsy nanatanteraka fanompoam-pivavahana anaovana sorona ao an-[[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] aza izy ireo. Amin'io mpanoratra io dia namolavola fiheverana sy finoana izay niafina nandritra ny fotoana ela izy ireo, noho izy ireo nanao fianianana tsy hamboraka amin'olon-kafa izany fiheverana sy finoana izany ivelan'ny fikambanana, sady izany fiheverana sy finoana izany dia tsy fantatra raha tsy tamin'ny fotoana nahafaha-namantatra ny hevitr'ireo soratanam-piraketana niafina teo amin'ny morona andrefan'ny [[Ranomasina Maty]]. Tonga saina izy ireo fa izy no fikambanan'ny Fanekena Vaovao izay havaozina isan-taona (4Q 226, 16-18) sy tarihin'ny vondro-mpisorona eo afovoan'ny tontolo ifandrotehan'ny fanahin'ny Fahazavana sy ny Aizina<ref><small>François Blanchetière, ''Enquête sur les racines juives du mouvement chrétien'', Paris, Cerf, 2001 <abbr>p. 45.</abbr></small></ref>.
 
Ireto ny fotokevi-dehiben'ny Eseniana: ny fiandrasana ireo [[andro farany]] sy ny fiavian'ny [[Mesia]] iray na maro, ny finoana ny fahalalahan-tsafidin'ny olombelona, ny [[Fitsanganan-ko velona|fitsanganan'ny maty ho velona]], ny famaliana ny natao amin'ny farany, ny fifamatoran'ny anton-javatra sy ny voka-javatra, ny [[fanendren'Andriamanitra mialoha]] (predestinasiona), ny fandavana ny fampisana menaka izay heveriny fa zavatra tsy madio, ny tsy fanaovana sorona ao amin'ny Tempoly intsony (Bokim-pianarana ny Fifehezana 9.4-5) ary ny fivavahana ampitodihana ny loha miatsinanana<ref><small>François Blanchetière, ''Enquête sur les racines juives du mouvement chrétien'', Cerf, 2001, 586 p.(<nowiki>ISBN 9782204062152</nowiki>)., <abbr>p.</abbr> 45-46</small></ref>. Ny mpandinika sasany dia mihevitra fa tsy miresaka ny amin'ny fitsanganan-ko velona ny mpanoratra ireo soratanam-piraketana<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''Le judaïsme ancien du'' vi''e siècle avant notre ère au'' iii''e siècle de notre ère'', Paris,PUF, 2012 (<nowiki>ISBN 978-2-13-056396-9</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 243.</small></ref>.