Flavio Jôsefa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny Jiosy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
I [[Flavio Josefa]] dia mpahay tantara jiosy teraka tamin'ny taona 32 taor. J.K. tao Jerosalema sy maty tao Roma tamin'ny taona 100 taor. J.K. Tonga tao Roma izy ka niaro ny Jiosy nataon'i Feliksa sesitany tao tamin'ny taona 66. Niverina tany [[Jodea]] izy ka nandrindra fikomiana tao. Tsy isan'ny niharan'ny sazin'ny Romana noho izany izy fa narovan'i Vespasiano.
 
== Ny anarany ==
Amin'ny maha Jiosy azy i ''יוסף בן מתתיהו הכהן'' / ''Yosef ben Matityahu HaKohen'' (grika: Ἰώσηπος Ματθίου παῖς / ''Iôsêpos Μatthiou paîs'') no anaran'i Flavio Josefa, izany hoe "Josefa zanak'i Matio Mpisorona".
 
Rehefa tonga tao amin'i Vespasiano tamin'ny taona 67 dia nafahana i Josefa zanak'i Matio ary taorian'ny fahataperan'ny Fikomiana lehibe dia nizaka ny zom-pirenena romana izy ka nomena ny anarana romana hoe ''Titus Flavius Iosephus'', izay misy ampahan'anaran'ny mpiaro azy, dia i ''Titus Flavius Vespasianus'' ("Tito Flavio Vespasiano"). Amin'ny teny grika izany dia ''Φλάβιος Ἰώσηπος'' / ''Flabios'' ''Iôsêpos.''