Eseniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-10:
 
== Ny anarana hoe ''Eseniana'' ==
Ny teny hoe ''Eseniana'' dia fanagasiana ny teny frantsay hoe ''Essenien'' izay avy amin'ny teny grika hoe ''Eσσήνοι'' / ''Essēnoi.'' Amin'ny teny anglisy dia ny hoe ''Essenes'' no fanoratra. Amin'ny teny latina dia soratana hoe ''Esseni.'' I [[Flavio Josefa]] sy i [[Filo avy any Aleksandria]] ary i [[Plinio Zokiolona]] dia miresaka ny amin'ny hoe ''Eσσήνοι'' / ''Essēnoï'' na ''Eσσαίοι'' / ''Essaioï'' na ''Oσσαίοι / Ossaioï''. Amin'ny teny hebreo izy ireo dia atao hoe אִסִּיִים‬ / ''Isiyim''. Io teny io dia tsy hita na ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] na ao amin'ireo soratra tao amin'ny [[Ranomasina Maty]].
 
Araka ny hevitr'i Émile Puech dia avy amin'ny teny arameana hoe ''hasaya'' ("tia vavaka") na ''hasîn'' (raha milaza maro), izay nosoratana amin'ny teny grika hoe ''essaioi'' na ''essenoi''. I Filo avy any Aleksandria dia miantso azy ireo hoe ''Hosioi'' "masina", izay andikana ny teny hebreo hoe ''hasidîm'', sady sorata amin'ny teny grika hoe ''Hasidaioi,'' "tia vavaka", araka ny hita ao amin'ny [[Bokin'ny Makabeo]]"<ref><small>Émile Puech, "Esséniens et interprétations", dans ''Qumrân le secret des manuscrits de la mer Morte'', Paris, BNF, 2010, <abbr>p.</abbr> 136.</small></ref>.
Andalana faha-17:
 
== Ny toerana nonenan'ny Eseniana ==
Araka an'i [[Flavio Josefa]] dia tsy tamin'ny tanàna iray no nanorim-ponenana ny Eseniana fa nonina tamin'ny tanàna rehetra <ref><small>Flavius Josèphe, ''Guerre des Juifs'', [http://remacle.org/bloodwolf/historiens/Flajose/guerre2.htm#VIII Livre 2, chap. VIII], 2-13 ([http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Fhistoriens%2FFlajose%2Fguerre2.htm%23VIII vakio eto]).</small></ref> <ref name=":1"><small>Norman Golb, ''Qui a écrit les manuscrits de la Mer morte ? : Enquête sur les rouleaux du désert de Juda et sur leur interprétation contemporaine'', Paris, Plon, 1998 (<nowiki>ISBN 9782259183888</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 3</small></ref>. I [[Filo avy any Aleksandria]] kosa dia milaza fa niisa any ho any amin'ny 4 000 ny Eseniana nonina tao Siria palestiniana <ref><small>Philon d'Alexandrie, ''Quod omnis probus liber sit'', XII, 75. Cité par Eusèbe de Césarée dans ''Preparatio evangelica'', [http://remacle.org/bloodwolf/historiens/eusebe/preparation8.htm#XII Livre 8, chap. XII] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Fhistoriens%2Feusebe%2Fpreparation8.htm%23XII tahiry]].</small></ref> sy tamin'ny tanàn-dehibe maro tao Jodea sy tamin'ny vohitra maro hafa<ref><small>Philon d'Alexandrie, ''Apologie pro Judæis'' ao amin’i Eusèbe de Césarée, ''Preparatio evangelica'', [http://remacle.org/bloodwolf/historiens/eusebe/preparation8.htm#XI Boky faha-8, toko faha-11] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Fhistoriens%2Feusebe%2Fpreparation8.htm%23XI tahiry]].</small></ref>. Nikambana tamin'ny fikambanana maro miray hina tanteraka sy tsy mifandray amin'ny any ivelany ny Eseniana tao amin'ny tanan-dehibe jiosy tao Palestina<ref name=":1" />. Tao amin'ny morontsiraka andrefan'ny Ranomasina Maty somary lavitra ny sisin-dranomasina, tao amin'ny tanànan'i Engaddi, ny Eseniana resahin'i [[Plinio Zokiolona]] <ref><small>Pline l'Ancien, ''Histoire naturelle'', [http://remacle.org/bloodwolf/erudits/plineancien/livre5.htm Livre 5] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Ferudits%2Fplineancien%2Flivre5.htm tahiry]], <abbr>XV</abbr>.</small></ref> <ref><small>Norman Golb, ''Qui a écrit les manuscrits de la Mer morte ? : Enquête sur les rouleaux du désert de Juda et sur leur interprétation contemporaine'', Paris, Plon, 1998 (<nowiki>ISBN 9782259183888</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 15.</small></ref>.
 
Miresaka ny amin'ny "vavahadin'ny Eseniana" i Flavio Josefa raha nilazalaza ny amin'ny faritra alehan'ny rindri-mandan'i Jerosalema tranainy indrindra<ref><small>Flavius Josèphe (v. 75). ''Guerre des Juifs'', 5, 145.</small></ref> izay lazainy fa teo amin'ny tendrombohitra Ziona (na Siôna), izay nenti-nanondroana ny havoan'i Ophel izay hita ao atsimon'ny tendrombohitry ny Tempoly tamin'izany fotoana izany<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''[https://books.google.fr/books?id=iPiR0YOnWFkC&lpg=PA459&dq=%22Journal%20of%20Sacred%20Literature%22%20Wright&hl=fr&pg=PA534#v=snippet&q=Sion&f=false Dormition et Assomption de Marie : histoire des traditions anciennes]'' [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.fr%2Fbooks%3Fid%3DiPiR0YOnWFkC%26lpg%3DPA459%26dq%3D%2522Journal%2520of%2520Sacred%2520Literature%2522%2520Wright%26hl%3Dfr%26pg%3DPA534%23v%3Dsnippet%26q%3DSion%26f%3Dfalse tahiry]], <abbr>p.</abbr> 534.</small></ref>. Mety nisy fikambanana eseniana angamba teo amin'io vakin-tanàna io.
 
== Ny finoan'ny Eseniana ==
Araka an'i François Blanchetière dia vondrona iray ihany ny Yahad sy ny Eseniana izay Jiosy manaja tanteraka izay rehetra voasoratra ao amin'ny Soratra Masina ka mitandrina ny ''Mizvot'', na dia tsy nanatanteraka fanompoam-pivavahana anaovana sorona ao an-[[Tempoly]] aza izy ireo. Amin'io mpanoratra io dia namolavola fiheverana sy finoana izay niafina nandritra ny fotoana ela izy ireo, noho izy ireo nanao fianianana tsy hamboraka amin'olon-kafa izany fiheverana sy finoana izany ivelan'ny fikambanana, sady izany fiheverana sy finoana izany dia tsy fantatra raha tsy tamin'ny fotoana nahafaha-namantatra ny hevitr'ireo soratanam-piraketana niafina teo amin'ny morona andrefan'ny [[Ranomasina Maty]]. Tonga saina izy ireo fa izy no fikambanan'ny Fanekena Vaovao izay havaozina isan-taona (4Q 226, 16-18) sy tarihin'ny vondro-mpisorona eo afovoan'ny tontolo ifandrotehan'ny fanahin'ny Fahazavana sy ny Aizina<ref><small>François Blanchetière, ''Enquête sur les racines juives du mouvement chrétien'', Paris, Cerf, 2001 <abbr>p. 45.</abbr></small></ref>.
 
Ireto ny fotokevi-dehiben'ny Eseniana: ny fiandrasana ireo [[andro farany]] sy ny fiavian'ny mesia[[Mesia]] iray na maro, ny finoana ny fahalalahan-tsafidin'ny olombelona, ny [[Fitsanganan-ko velona|fitsanganan'ny maty ho velona]], ny famaliana ny natao amin'ny farany, ny fifamatoran'ny anton-javatra sy ny voka-javatra, ny [[fanendren'Andriamanitra mialoha]] (predestinasiona), ny fandavana ny fampisana menaka izay heveriny fa zavatra tsy madio, ny tsy fanaovana sorona ao amin'ny Tempoly intsony (Bokim-pianarana ny Fifehezana 9.4-5) ary ny fivavahana ampitodihana ny loha miatsinanana<ref><small>François Blanchetière, ''Enquête sur les racines juives du mouvement chrétien'', Cerf, 2001, 586 p.(<nowiki>ISBN 9782204062152</nowiki>)., <abbr>p.</abbr> 45-46</small></ref>. Ny mpandinika sasany dia mihevitra fa ny mpanoratra ireo soratanam-piraketana dia tsy miresaka ny amin'ny fitsanganan-ko velona ny mpanoratra ireo soratanam-piraketana<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''Le judaïsme ancien du'' vi''e siècle avant notre ère au'' iii''e siècle de notre ère'', Paris,PUF, 2012 (<nowiki>ISBN 978-2-13-056396-9</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 243.</small></ref>.
 
Araka ny hevitr'i André Paul dia maneho fifandraisana amin'ny firehana gnostika ny soratra tao Komràno. Hita ao ny [[gnostisisma]] jodaika amin'ny endrika talohan'ny fivavahana kristiana. Hita izany ao amin'ny literatiora jodeo-grika na tao amin'ireo [[soratra apokaliptika]]. Voamarin'ny soratra avy tao amin'ny zohin'i Komràno izany, izay mpanambara mialoha ilay fikambanana tanjonina na vavolombelon'ireo literatioram-pahendrena<ref><small>André Paul, ''Qumrân et les esséniens : L'éclatement d'un dogme'', Paris, Cerf, 2008 (<nowiki>ISBN 978-2-204-08691-2</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 127</small></ref>.
 
== Jereo koa: ==